20.5.12

Jesoa no fivoy

Ianao Jesoa no fivoy
manjohy ny lakana itoerako ety
ny tenako izao no misosa
hanatontosa ny adidy napetrakao

Jesoa ô! ampangino ny onja mahery
fa mila ho very ny finoako anio
ny tenako raha misedra
ireo setrasetra mila ny famonjenao

Omeo ny hery avy aminao
amin'izao fotoana izao ity nofo mora lò
fa ianao irery no tokiko Jesoa
tsy atosiko mba hiarahana mandrakizay


Jentilisa
21 febroary 1993


-23-

Aucun commentaire: