6.5.12

Izay misy ahy dia misy Azy


Izay misy ahy dia misy Azy
Tazany hatrany aho
F'Izy no mpiandry ahy
        Hatramin'izay.
Raha misy ahiahy
Tsaroako Izy no niahy
Namelombelona fanahy
        Tamin'izay.

    Jesoa no tia
    Tonga hiara-dia
    Jesoa 'lay Mesia
    No tena Tia.


Ao anaty ady sarotra
'Zay mampatahotra
no mitady avotra
        Dia vonjeny.
Raha  misy aretina
Izy nanasitrana
Ary koa raha vizana
        Nomeny hery.


Jentilisa
1995

Aucun commentaire: