27.5.12

Ianao ve tsy hilalao

Kalokalo no atao
miantso anao
manainga anao
kalokalo no atao
Ianao ve tsy hilalao?

Lamako aloha no atao
hanakoako
tsy miato
lamako aloha no atao
Ianao ve tsy hilalao?

Soamiditra izao
mandrosoa
avokoa
soamiditra izao
Ianao ve tsy hilalao?

Dihy kely afindrafindrao
tsara indrindra
ny mirindra
dihy kely afindrafindrao
ianao ve tsy hilalao?

Ny rehetra milalao
izaho sy ianao
isika izao
ny rehetra milalao
Ianao ve tsy hilalao?


Jentilisa
27 jona 1993


-30-

Aucun commentaire: