16.5.12

Ho maraim-baovao

Raha tsy lazaina ny tahaka izao
dia heverina ve fa tsy hisy ny maraim-baovao?

Indreny izy rehetra fa miada-pandeha,
mitaritari-tongotra
toy ny hoe anaty kapa toa tapaka kofehy
sy misaringodringotra
voagejan'ny tsy fananana na inona na inona
sy ny hanoanana mianjady
ka sahirana mitady izay mba azony tsimponina
sakafo ny tadiaviny
manilika sy mitsindroka nefa tsy mahita hohanina
ka rehefa sosotra fa tsy mahita arapaka
dia manandratra ny lohany
miandrandra
toa mitaraina amin'ny lanitra
saingy manome tsiny ny mpitondrany
mpitondrany sady Andriamaniny
Dia indro fa niondrika
Feno fahakiviana, mahatsiaro fanina
ketraka tanteraka
Difotry ny henatra ka nanarona ny loha
Eny, ny fahadisoam-panantenany tena lalina dia lalina
Difotry ny aizina


Nefa ...   ...   ... NEFA
Nahoana izy ireo no avela hanjakazakàn'ny fahafam-baràka?
    Tsy efa ampy ve ny fotoana...
    niondrehana?
    nidarabohana?
    niesonana?
Efa ampy tokoa ka henoy amin'izay
        Atrakao ny loha
        mitehena
        miarena
        mijoroa
        Indro fa aseho ho anao ny famonjena:

Ny vahoaka nivezivezy anaty aizim-pito
no mahita
taratra manjopiaka
ny vahoaka nonina tanaty alo-pahafatesana mpandrava
no amirapiratan'ny mazava

Nokosehiny ny masony
ny mazava tokoa va re?
Eny, nanelatrelatra tamin'ireo tambanin'ny aloka
    aloka mahatsiravina mampatahotra
ny fahazavana.
        Nakarin'izy ireo ny tanany migadra
        narosony hianohany ilay mazava ery alohany
        ka nivaha ny fatorana
            Nivaha hoe?
            Hamarino tsara e!
            Eny, nivaha, afaka izy, Afaka!
Tompo ô! navelanao hitsikim-pifaliana izy ireo
Indreo mifampiarahaba, fa nahazo fitahiana
        Dia velona ny horaka
        Raikitra ny hoby

...   ...   ...   ...   ...
Fa zaza no teraka ho antsika
zazalahy no omena antsika
nomena iantsorohany ny fahefana
zary anarana fiantso azy ny hoe:
        Mpanoro hevitra igagàna
        Andriamanitra mahery
        Mpiahy mandrakizay
        Mpandova hitondra filaminana
Ary hanitatra tsy miato ny ambaindain'ny fiandrianan'i Davida Izy
Dia hiantoka ny fahamarinana sy ny rariny hanjaka
mba hiadanan'ny vahoakany
manomboka izao ka ho mandrakizay
Tenin'YHWH ampoky ny fitiavana izany
ka hotanterahiny.


Jentilisa
17 desambra 1996

PS: Natao hifandraika azo hanaovana fihetsika mirindra izy ity ary nalaina avy tamin'ny bokin'Isaia 8:21- 9:6

Aucun commentaire: