18.5.12

Fahadisoako

Fa notadiaviko itsahina
ilay zava-masina
...    fahadisoako e!
ny nampandefitra ny foko
ny fahadisoako e!
tsy tiako indroasina
tsy tiako iteloana
fa miverina foana.


                    Fa notadiaviko idifiana
                    ilay nifaliana
                    sady nijaliana
                    ...    fahadisoako e!
                    ny nampandefitra ny foko
                    mbola mioko
                    mitady ilay tiana
                    ka mitoloko


Ka tadiaviko averina
ilay tantara lasana
efa nihelina
sy nampimpenimpenina
...    fahadisoako e!
ny nampanjakako ny nenina
ny fahadisoako e!
no nandraisako ny penina



Jentilisa
6 martsa 1993

-21-

Aucun commentaire: