3.5.12

Fa ny foko re no manina


Fahatsiarovana sisa
no atao tanisa
tanisaina
ilaina nantenaina
hamohafoha sy saina
kanjo nanagaina
ka ho lany izany aina


Mbola misy ve?
hery miafina
tsy nokasaina
tsy hay notohaina
tsy hay dikaina
tsy hay ovaina
ka nohiraina?


Aiza izy izay
ilay olona iray
any ho any
eto an-tany
nefa onona ihany
tsy mahafa-pò izany
ka mahalasa ny vinany


Alahelo foana
no manoloana
indrisy
mamparisarisa
tsy misy heviny ny sisa
toa tsy misy paradisa
ranomaso no akorisa


Fa ny foko re no manina
ka ny tenako no fanina
Eny! lavo aho fa ho tafarina


Jentilisa
Janoary 1991

Aucun commentaire: