13.5.12

Aleoko

Aleoko mandrodana ilay manda tsy tiana
nangeja vahoaka ho ao anaty fijaliana
ilay vohitra tontolon'ny fahakambotiana
no hanorenana indray ilay firaisan-kina.


Eny, aleoko aseho amin'izay ny fahasahiana
fa efa ela izahay no leon'ny fangirifiriana
nefa ny herim-panahy no atao fiadiana
sy ny herim-bahoaka tsy azo sangiana.


Aleoko migadra sy ampijaliana
hiray dia amin'ireo noambanimbaniana
toy izay handray vola fandrabirabiana
tsy haiko ny hino fa tsy nosolokiana


Ny fanantenana sy ny fahakiviana
ny andro itomaniana sy ny andro ifaliana
nifandimby nefa aleo zakaina ny fihafiana
toy izay hiaina hatrany ny fahoriana


Eny, fiainam-baovao indray manko izao no irariana
fa ny ho avy manko tsy azo ikipiana.


Jentilisa
Jolay 1991

-18-

Aucun commentaire: