27.4.12

Nisy Zavatra...

Tamba-tononkalo ity atolotra anareo etoana ity. Mipetraka ao anaty kahie fa nanomboka 1991 ka hatramin'ny 1995 ka mitovitovy lohahevitra no nampiarahana ho tononkalo iray, karazana lala-piainana iray ifamahofahoan'ny hafaliana sy ny hakiviana sy ny fijaliana mankamin'ny fahasahiana. Dia mazotoa mamaky fa lavalava ihany ny lahatsoratra.


Nisy zavatra...



Nisy zavatra nanala tamiko
ny voalin'
ny tsy fahalalàna
nandritra ny fahazazàna
ka nidirako fiainana vaovao.

Nisy zavatra nanaitra ahy
nandaitra
hampifaly ny foko
hanary toloko
raha toy ny nanjoko ao tao ho ao.

Nisy zavatra nanaika ahy
hampahery vaika
sy hampiriotra
isa-minitra
ka nampanadino ny kitra tanatiko tao.

Nisy zavatra nanasoa ahy
tsy hikoa
ka nizorako mangina
ny lalam-pihafiana
toa àry fiadiana raha miditra mankao.

Nisy zavatra namaka tamiko
ary nanjaka
teo anivon'ny laka
tsy hihambakavàka
na iza hisompatra na iza hikàka.

Eny, nisy zavatra namonjy ahy
raha saiky voaronjin'
ny fialonana
sy ny sotasotan'
izao tontolo izao aho.

...   ...   ...   ...   ...   ...   ...   ...

Saingy nisy zavatra nanampoka ahy
hidaraboka
raha nananika
ny andry natsatoka aho
nefa io no nijoroana tsy hataho-draorao.

Nisy zavatra nampitombina ahy
hikombona
ary raha irery
tsy mitsahatry ny manjombona
marina moa raha maha-te-hijery?

Fa nisy ny zavatra nandrisika ahy
sy mbola misisika
hioko
mitady toky
fa mandalo ny raho-mitatao.

Nisy zavatra nandavo ahy
nandrava
ny herintsaina
ho be taraina
ny nantenaina no nanjavona tsotra izao.

Nisy zavatra tsy nampihetsika ahy
fa nandetika
ilay sambo nentiko
ho fefika
voateny ho azy ny tafita vao rendrika.

Nisy zavatra nampatory ahy
tao anaty sorisory
izay rehetra nomanina
tsy nisy vanona
satria tsy misy solika manodina milina

Nisy zavatra nandrotika ahy
tsy hikofoka
fo lotika
no namotika
ny fiainako zary mahatofoka.

Nisy zavatra nampimalo ahy
mihalohalo
tsy tanty
ny eritreritra ao anaty
fa izaho irery no mijaly toy izao.

Nisy zavatra nampiala nenina ahy
hiverina
hitodi-doha
amin'ny Ray Tsitoha
ary hiankohoka eo anatrehany tokoa.

Nisy zavatra nampiarina ahy
tsy hisonanina
na hivarina
anaty arina
namihina ahy tsy hahavita na inona na inona.

Nisy zavatra nanala ahy
tsy hivoajamala
anaty valan'
ny fahadalàna
fa nampihiratra ny masom-panahiko hatrizao.

Nisy zavatra nampitony ahy
tsy hitomany intsony
novonoiny
manko irony
fampijaliana nampitalaho.

Nisy zavatra nitaiza ahy
tsy hitako hoe aiza
nefa hainy
ny nihaino
ny taraina nihorona tao amin'ny miafina.

Nisy zavatra nampanetry tena ahy
izay ekena
fa nampitombo fahendrena
ka izay no fandresena
lehibe noho ny fahitana volamena.

Nisy zavatra nanova toetra ahy
tsy ho mora letra
amin'ny zava-drehetra
ny halako avy no
nataony ho zakako sy ho namako.

Nisy zavatra naniraka ahy
hampahery ny vizaka
sy ny voahitsaka
...voafitaka
hanadinoany ny zava-mampangitakitaka.

Nisy zavatra nandranitra ahy
hiaritra
sy haharitra
satria mahafinaritra
ny mitory hatrany ny fanjakan'ny lanitra.


Jentilisa
1991-1995

Aucun commentaire: