30.4.12

Horakoraka

                                                           __ Andao isika hihorakoraka am-pahanginana
                                                           __ Ahoana tsara?

Misy ihany amin'ny fiainana
ny fotoana
ilàna horaka mazàna.


Ny horaka indraindray
hevitra indray te-hivoatra
rehefa ela leon'ny nanoaka
dia hientana indray.


Ny horaka indraindray
milaza ilay hetsi-pò te-hitroatra
notinazo fa tsy hay napoaka
lasa nanjary vay


Ny horaka indraindray
manambara ilay fo misendaotra
mampiharihary fa mandroaka
na hoe koa: "Aoka izay!"


Ny horaka indraindray
fandrisihana izay tsy afa-nanoatra
feo atolaky ny vahoaka
anaty ady mahamay.


Ny horaka indraindray
midika hafaliana izay niloatra
rehefa nogejaina tsy afa-nivoaka
hatrizay ela izay.


Misy ihany amin'ny fiainana
ny fotoana
ilàna horaka mazàna
nefa izany
aoka tsy ho horakora-poana
sy hiserana ihany.



Jentilisa
01 jolay 1993

Aucun commentaire: