28.4.12

Dimanjato Taona

Iza moa no tsy mahalala fa misy ireo vondron'olona mitady hanjaka tokana eto an-tany. Tiany ho ny kolontsainy no hitaizana ny olon-drehetra manerana izao tontolo izao. Tadiaviny ampanjakaina fa ny azy irery no fandrosoana, ny azy irery no fiainana... fiainana manadoka.  Ny olona mahatsiaro ho voahosihosy tahaka ny hoe olombelona tsy afaka mivoatra amin'ny mahaolona azy no mitroatra tsy nahy. [Ity misy rohy mifandraika amin'ity tononkalo ity.][en]

Dimanjato taona no nimaona
        ranomaso no tovozina
fotoana tsy nialana saona
        toa olom-boahozona
voatapim-bava toa moana
        sy natao taingi-bozona


Dimanjato taona noterena
        hifindra lasy hatrany hatrany
nailikilika dia nohosena
        mba hangalarana ny tany
rehefa notinaiza sy nolemena
        fa sarangan'olona ambany


Nefa te-hivoatra amin'izay
        amin'ny fiainana ho avy
samy hiarina avokoa
        na salama na manavy
ka hijoro sy ho sahy
        tsy misy lahy tsy misy vavy


Na ho faty na handresy
        no teny voatonona
miverimberina ventesin'
        ireo tanora efa vonona
fa noho ny fiainana ho fesona
        dia tsy mitsahatra ny tolona




Jentilisa
04 janoary 1994

Aucun commentaire: