2.2.12

Amboary ny fandaminana amin'ny Fitsenana

Hanao ahoana indray ny ho fizotry ny raharaha amin'ny Asabotsy 04 febroary 2012 ho avy izao? Niaiky ny mpikarakara ny fandaminana fa nisy ny tsy fahatomombanana tamin'iny fitsenana ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc iny. Ny mpikarakaraka tokoa no tsy matotra loatra tamin'iny toe-javatra iny raha ny fijeriko azy. Efa reko ihany ny toho-tsofina nifanaovanareo heverina ho anatin'ny fandaminana sy ny fiarovana fa misy antokon'olona tsy mazava loatra eo anoloan'ny Air France Cargo nefa dia mbola tsy hainareo ihany ny nisoroka izay azo nosorohina soa amantsara. Inona moa ny dikan'izany ho ahy izay nahare tsara ny resaka nataonareo?

Manaraka izany dia mbola tsiniako ihany koa ny mpitarika ao amin'ny delegasiona isan-tokony tsy nahay nasiaka tamin'ny fotoana nilàna izany. Oviana ny mpandala ny ara-dalàna no nitaky ny "hikarakarana" ny Viva na ny eny Ambatobe? Nefa dia mbola navelanareo ireny andian'olona tsy mazava nahasahy nanakaiky anareo ireny, ary kely foana dia azony samborina tsy misy mpiaro ianareo. Rehefa toy ireny manaova masiaka hoe atsangano ny tanan'izay hanao "action". Dia asaivo miala akaikin'ireny ny olona hafa dia hiavaka azy ireny, ary eo dia mivonòna fa mety hisy hitoraka tampoka ry zareo navahana teo, nefa dia tokony hivonona ianareo amin'ny fifehezana azy ireo. Ny olona nahay nifandamina fa ianareo indray no toa nanampy trotraka tamin'ny fanakorontanana nataon'ny hafa.

Mba nifampiresaka ihany ny olona fa nisy mpiambina manokana ny filohan'ny fitondrana FAT vitsivitsy nifangaro tanatin'ny olona nefa dia tsy nahay nitandrina ihany ianareo. Olona mety hifanandrina aminareo ve dia tsy ho fantatrareo? Tsarovy fa "famerenana" izay mety hitranga amin'ny fitsenana ny olona tena andrasana ny fitsenana ny vadiny io. Hanao "famerenana" ihany koa ny tsy tia ny iverenan'ny olona andrasanareo, raha tena miandry azy tokoa ianareo, amin'ny tetika isian'ny korontana indray amin'io fotoana io. Anjaranareo ny mieritreritra sy mamakafaka fa efa niteny aho izay, efa nampilaza mialoha aho izay.

Dia tongava soa ny andrasana ary! mampahery ny rehetra! Tsy fandokandokafana hatrany no andrasana na atatatata fa ilaina koa ny fahamatorana amin'ny fandraisana andraikitra amin'ny anjara tandrify.