5.1.12

Nahoana no misaritaka?

Miarahaba ny mpamaky etoana indray nahatratra ny taona vaovao 2012. Tsy maintsy atao mandrakariva ny mirary soa rehefa voalohan'ny taona tahaka izao ka enga anie ho salama tsara ianareo rehetra ary hahazo izay iriana ka mahasoa ny tsirairay. Izay no vita fa hanoratra zavatra kely, tsy zavatra ankapobe fa manokana momba ny tolon'ny mpanohitra ny fanonganam-panjakana niseho tamin'ny 2009.

Somary gaga ihany ny tena raha nahare hoe nisy fifamaliana tao amin'ny kianjan'ny finoana tao fa nisy ny vondron'olona mitarika ny mpitolona hanao "action" na hivoaka ny kianja ka hidina an-dalambe. Nisy kosa ireo nisiotsioka azy ireo ho mariky ny tsy fankasitrahana izany fitarihana izany. Tsorina fa fifanoheran-kevitra anatiny izany tranga izany ka mila fandrindrana fa tsy tokony hisy kosa ny fifanenjehana na ny avy amin'ny andaniny na ny avy amin'ny ankilany samy ao anatiny ao. Ny tenako raha mpanatrika fivoriana tamin'ny voalohany dia tsy nanao izany loatra intsony taty aoriana. Tsy hoe niova hevitra fa ny fivelomana tsy maintsy tandrovina ihany...

Na izany aza dia manan-kosoratana ny amin'izany ny tena na tsy mpanatrika na ny eny Behoririka na ny eny Ampandrana Bel'air aza. Tsy hoe izay mpankeny amin'ireo toerana ireo ihany tsy akory no resy lahatra fa ireo no manam-potoana amin'ny tranga sy ny toerana misy ny tolona fa ny hafa kosa amin'izay fotoana mampalalaka  na fotoana heveriny ho tena zava-dehibe ihany no tonga raha antsoina. Tsy atao mahagaga loatra raha ny olona retirety no maro an'isa manatrika eny satria malalaka tsara ny fotoan'izy ireo. Ny hafa kosa miasa.

Amiko, efa tsy mety intsony ny endriky ny tolona amin'izao fotoana izao na ny fomba fanaovana azy. Teny Ambohijatovo, faritra azo lazaina fa afovoan-tanàna satria akaiky toeram-piasana maro dia nety indrindra raha atoandro ny fanaovana ny fivoriana ka noravana mialoha ny fidiran'ny mpiasa sy ny mpianatra ny zavatra rehetra. Izay ihany no fotoana tena mety amin'ny rehetra raha te-hanao tolona andavanandro fa tsy toy ny amin'izao fotoana izao izay amin'ny telo mety mbola tsy hanomboka hatrany.

Raha tsy diso ny fitadidiako dia efa nanoso-kevitra momba izany ny tena saingy toa tsy nisy mpihaino, na niniana tsy nohenoina satria nanelingelina teti-panorona hafa. Tiako ho fantatra indrindra hoe iza tamin'ny mpitarika no nikiry hampihemotra io ora fanombohan'ny tolona andavanandro sy ny firavany io? Amiko manokana manko dia karazany nanimba ny lalan'ny tolona ny fiandrasana ny mpitarika tahaka ny tsy ho avy raha tsy tamin'ny roa na amin'ny roa sy sasany vao hikabary amin'ny olona.

Misy zavatra iray hitako banga tanteraka mahatonga ny tolona ho "malemy" tahaka izao. Nisy tsindry niala tamin'ny olona noterena [= ny eo amin'ny fahefana] rehefa nahemotra ny fotoana fanombohan'ny fivorian'ny daholobe. Tamin'ny fivoriana atoandro dia tsy toerana itodiana ny kianja fivoriana fa toerana andalovana sy ihaonana ka mety hisy ny zavatra hafa azo atao rehefa avy eo iarahan'ny besinimaro manatanteraka, eo no tokony hampafana vay ny tolona fa tsy eny amin'ny kabary loatra. Izay no tena nampiroborobo vetivety an'Ambohijatovo.

Nihavitsy amin'izay ny olona rehefa fantany fa toa hihaino kabary sisa no ataony, ary hita fa nihanihemotra hatrany ny fanombohan'ny fotoana. Lasa fitodiana ilay kianja ihaonana satria efa fantatra sahady fa tsy hisy intsony atao rehefa vita ny kabary fa na mody na ilaozana miady hevitra amin'olon-kafa. Efa mba nanoso-kevitra (an-tserasera) ihany ny tena hoe aza atao lava re io fotoana na kabary io fa mahamonamonaina, saingy araka ny nitenenako (na nanoratako) no vao maika nahalava sy nahabetsaka ny olona niady hikabary.

Faramparany, aleo manoso-kevitra indray hoe ataovy indray na indroa isan-kerinandro re io fivoriana io raha be mba hazotozoto kokoa ny olona handeha fa tsy hoe handeha tsy fidiny sao manjary simba ny tolona. Tsy adalan'ny sasany tsy akory raha nanomboka ny tolony isaky ny Asabotsy izy vao nivadika isan'andro. Ankehitriny aiza ho aiza ny tolona? tsy atao mahagaga raha misy kosa ny tsy mahandry intsony fa ny fandaminana azy io hanana hery, ny fitadiavana ny tetikady rehetra hampazoto ny olona izao no tadiavina fa tsy fampanatenana poakaty sady lazaina fa hoe "baiko avy amin-dRavalomanana" na ny toy izany no entina handemena ny sain'ny olona.

Trafon-kena ome-mahery io ka ambava homana am-po mieritra. Aza ny tenako no ariana fa ny teniko hoy ny fiteny Malagasy izay, ary aoka tsy hifanavakavaka sy hifampiampanga fa ny fiaraha-mientana sy ny fahombiazana no tadiavintsika izao.

Aucun commentaire: