7.12.11

Voromby Ivato fanodinan-dresaka

Nalaza indray izao voromby nambara ho tsy ara-dalàna izao. Fitaka sy fampisehoan-kery taoriana fikarohana satroboninahitra heverina ho nandamoka ihany anefa iny hazolava (antso vonjy) sandoka iny. Nokendrena mihitsy mba ho voromby avy any Afrika Atsimo no nolazaina ho manao zavatra tsy ara-dalàna teto Madagasikara sy mandika ny lalàna iraisam-pirenena momba ny fifamoivoizana.

Fantatry ny mpitandro ny filaminana fa tsy ho hita intsony ilay satroboninahitra very dia mitady zavatra hafa hanodinana ny sain'ny olona ry zareo. Dia iny hitan'ny besinimaro ho nanao fihetsiketsehana iny ary nidehaka aza ilay tompon'andraikitra fa tafapetraka atsasakadiny mialoha ny nipetrahan'ny voromby teo amin'ny seranana ny mpitandro ny filaminana rehetra nanemitra ny seranam-piaramanidina. Izany hoe tsy azoko loatra fa noterana tsy hahazo hipetraka an-tany izany io voromby io mandra-pahatongan-dry zareo.

Manjary lasa manoratra ny tena hoe raha tena mahavita ataovy izay ahitana haingana ny satroboninahitra (raha tsy efa nanaovana ceremonie na rituel any ivelany any amin'izao fotoana izao angamba) satria efa nilaza ihany ianao fa tsy maintsy ho hita iny ary hanatona any amin'izay mitazona azy ianao. Izay Afrikana Tatsimo rehetra izany izao dia mety heverina fa mpikarama an'ady daholo. Mbola ilay nitaizana ny miaramila hatramin'ny andron'ny revolisiona fankahalana ny Afrikana Tatsimo mpanavakava-bolonkoditra ihany ve no iainana hatramin'izao fitondran'ny ANC an'io firenena io hatramin'izao sa tsy maty lolo ilay resy tamin'ny 1942 tamin'ny fanafihana niainga avy ao?

Sahiran-tsaina ihany angamba ry zareo hoe hanao fetibe sy handefa afomanga amin'ity fahaverezan'ny satroboninahitra ity ve ka dia notadiavina ny fanodinana ny saim-bahoaka tahaka itony. Fa sao dia tratran'ity fitapitaka ity ihany koa aloha ianao mpamaky io e?

Aucun commentaire: