15.12.11

Vita Afomanga -Miverina delestazy



Manana hafetsifetsena tanteraka ny mpitantana ao amin'ny JIRAMA ao ka! andro vitsy mialoha ilay afomanga teo iny dia mody tsy nasiana delestazy mihitsy ny teto an-tanàna, mety ho maro manko ny ompa hoe ny jiro tsy arehitr'ialahy koa izahay no mody tambatambazana amin'io afomanga io. Noheverina ho nahita ny vahaolana tampoka ry zareo (ary sao dia misy ilay vahaolana fa mba lalaovina isika e? nahoana no vita ihany ny tsy nampanao delestazy?) Kanjo ankehitriny miverina miaina soa aman-tsara amin'izany delestazy izany indray. Manahy aho fa misy fika masiso izao...

Ny sary dia nalaina tetsy 67ha ambadiky ny FJKM Salema Vaovao nanaovana ilay fivoriana fahatezerana manoloana ny ataon'ny JIRAMA

Aucun commentaire: