4.12.11

Satroboninahitra Ranavalona Reniny Nangalarina



Toy ny fahatezerako tamin'ny 6 novambra 1995 indray ny fahatezerako amin'izao fotoana izao. Tamin'izany fotoana izany Rova iray manontolo no nopotehina. Ankehitriny kosa izay sisa tavela indray no nangalarina. Ny nahavariana dia izay nisy sanda indrindra ary iny ihany no nangalarina. Tsy te-hiampanga na iza na iza aho sady manentana ny rehetra tsy hanameloka be fahatany ihany koa. Fa raha misy ny milaza fa fanakorontanana ataon'ny mpanohitra io dia afaka milaza ihany koa ny mpanohitra fa fitadiavam-bola tafahoatra ataon'ny mpitondra io na mba hevitra hafa ihany koa. Afaka manao lahatsoratra manokana ho amin'izany ihany koa aho.


Ny satroboninahitra kely nalaina tao amin'ny tahirin-kevitr'i Grandidier tsy fantatsika izay manjo azy amin'izao fotoana izao.



Fa lasa ny saina. Nahoana moa no tsy azo alaina sary ireny vakoka ireny e? Amin'izay very ny fitadidiana ny endriny? Amin'izay rehefa ovaina ilay vakoka dia tsy misy mahafantatra intsony ankoatra ny tena mpahalala? Neniko ny hendry tafahoatra ka rehefa hoe tsy azo alaina sary dia tsy nahasahy naka sary tokoa. Izao mba iza avy no manana ny sary?

Misy koa ny satroboninahi-dRanavalona fahatelo miteronterona eo amin'ny Mozean'ny Tafika ao Paris nalain'i PHGCOM sary tsy avoakako eto fa tsindrio ny rohy azafady!

Noho ny hatezerana dia hamoaka ny sary nangonin'ny hafa. Ifonako dia ifonako ilay nanoro lalana ahy hahita ireo sary ireo fa tsy tantiko ny tsy hamoaka ireo sary ireo. Aleo mba ho hitan'ny rehetra!!!

Ny diadema

Ity ilay satroka heveriko no nisy nangalatra



Marihina fa tsy misy ahy ireo sary ireo!!!

Aucun commentaire: