8.12.11

Reraka avy nanao sarinady?

Fa misy ny Haino Aman-Jery (HAJ) mety hanorisory ny mpitondra sasany na sivily na miaramila, na dia eo ampanaovana ny asany ara-dalàna aza ireny HAJ tsy miankina ireny. Ny andron'ny fihetsiketsehana teny Ivato iny ihany. Tsy lavitra loatra izany toerana antsoina hoe Ambohimamory izany, nisy fanafihan-jiolahy fa tsy nety tonga teny mihitsy ny mpitandro ny filaminana, araka ilay vaovao izay azonao jerena eto. Nivilana ny fefy na vavahady vy... ireny mihitsy no nahatonga ny anarana hoe famakiana trano satria misy zavatra potehina na vakiana, fa tsy laharam-pahamehana ireny satria tsy mampidi-doza ny "filaminana" amin'izao fotoana izao. Koa iza no mbola tsy mety resy lahatra fa sarinady iny teny Ivato iny hatramin'izao?

Aucun commentaire: