12.12.11

Repoblika faha-tetezamita

          Raikitra indray ny resaka hoe tokony sa tsy tokony ankalazaina ny faha-herintaona nahaterahan'izany repoblika fahaefatra izany. Dia lasa adihevitra tsy izy ny fanontaniana hoe ka Repoblika fahaefatra ary isika izao sa mbola tetezamita? Ny fantatro hatreto dia mbola anaty tetezamita tanteraka isika nefa ny mpitondra tetezamita manao fety repoblika fahaefatra. Tetezamita saingy tsy manana fandaharam-potoana matotra amin'ny fikarakarana ny fifidianana isan'ambaratonga. Ka rehefa tsy manana fandaharam-potoana matotra amin'izany nefa mifety zavatra tsy mbola tonga dia hafahafa ihany.


          Dia hoy aho hoe ianao mpitondra tetezamita izay natao ho toy ny vonjimaika ihany ve no hankalaza tsingerintaona tsy izay hampaharitra anao ela indrindra eo amin'ny fifidianana no katsahinao? Tokony ho menatra aza ianao fa tsy mety mampita ary karazany mikendry ny tsy hampita na oviana na oviana ny fahefana. Angamba aza efa fantany fa tsy ho lany izy dia miezaka hatrany ny manalava fotoana. 


          Fa tsetsatsetsa tsy aritra efa ela no saiky soratana fa eto vao tadidy. Isqika angamba efa nandre ihany ny hoe isaky ny folo taona izao, hono, dia misy krizy hatrany eto Madagasikara ka dia tadiavina ny ialana izay krizy miverimberina isaky ny folo taona izay. Dia hoy aho hoe dia hitany tokoa ny vahaolana fa reehfa tsy tiana hierina isaky ny folo taona ny krizy dia aleo maharitra folo taona e! sa ahoana? hahaha

Aucun commentaire: