10.12.11

Ny mitam-piadiana ihany no mahazo valiny mahafa-po

Asa tokoa na hanao ahoana na hanao ahoana ny tohin'ny tantara eto Madagasikara. Toa tsy mba mety malaza ny zavatra tsara na misy fikarakarana ho amin'izany rahampitso. Ny voamarika, mety ho namoaka ny vaovao tany amin'ny valan-tserasera ananako rehetra aho ( réseaux sociaux) faramparany teo saingy izay nosotarako tao anatin'ny herinandro dia nahatratra ny antsasaky ny mpamaky taoriana kelin'ny fandrobana lehibe tamin'ny 26 janoary 2009. Efa ambavahoana ve sa efa tafalatsaka tanteraka ny toe-draharaha teto Madagasikara raha nihoatra lavidavitra ihany noho ny mahazatra ny mpamaky amin'ny bolongana anankiroa?

Raha nanoratra ny momba ny rotaka teny Behoririka nandrobana ny Shinoa aho dia nilaza mazava fa tsy hisy tohin'ny fihetsiketsehana izany... dia hitantsika fa dia any amin'ny Fitsarana ihany no mitohy ny raharaha, toa tsy efa noadinoin'ny olona tanteraka ny momba azy iny. Raha nanoratra indray ny raharaha halatra diadema (satroboninahitra) teny Andafiavaratra aho dia mbola toy ny teo aloha ihany ny eritreritro, tsy hisy setriny avy amin'ny vahoaka hilaza ny fahatezerany izany eo.

Miezaka ny maneho ny hatezerany ny fikambanan'izatsy na ny fikambana'izaroa fa tsy mahataitra ny sarambambem-bahoaka akory. Valalabemandry, rahoviana vao ho valalabemifoha? saingy rehefa valalabemifoha toa fahapotehan-javatra ihany no vita...Nofaranana tamin'ny sarinady teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny raharaha dia vita. Na izany na tsy izany, tsy ho olona kely na olon-tsotra no hanao ireny zavatra ireny fa olona manana ny lanjany sy ny hajany eo amin'ny fiaraha-monina... saingy ho aiza kosa ary ny sain'izay manampahefana miandraikitra izany?

Fa tonga eo amin'ny raharaha Polisy sy Fitsarana tany Toliary amin'izay aho fa ity vao raharaha angamba, hoy ny maro! Fifampitifirana eo amin'ny polisy sy ny mpiandry ny fonja! Miverina tany amin'ny fiandohan'ny krizy ity zavatra ity. Ny Asabotsy 21 marsa 2009, vantany vao vita ny fianianan'ny PHAT teny Ivato dia nisy ny andia-miaramila nanafika ny fonjaben'i Tsiafahy nanaisotra ireo lazaina ho gadra politika, misy tokoa ny gadra politika fa mifangaro amin'ny mpanao politika migadra noho ny fandikan-dalàna mihatra eto Madagasikara. Fanjakan'ny manam-basy izao ka izay manana izany no manana ny fahefana. Ho tonga aiza? tsy lasa lavitra, hoy aho. Mahita ny vahaolana haingana ny mpanao politika : afahana ilay takiana hivoaka ny fonja noho ny fanariana na fivarotana basy nataony... Afahana tsy misy didim-pitsarana (araka ny reko ho navoakan'ny minisiteran'ny Fitsarana) dia vita ny resaka. Hay ve azo atao ihany izany? Nefa efa nisy fatiolona an! Ary mpitsara ilay izy... nodarohin'ny araka ny tatitra.

Zavatra tsikaritra, rehefa ny manana fitaovam-piadiana sy ny mahazo alalana hitazona fitaovam-piadiana no mitaky dia ekena avy hatrany izany, eny fa na dia mifanohitra amin'ny lalàna sy ny didim-pitsarana aza. Tonga any amin'ny vahaolana politika avy hatrany ny raharahan'ny mpitondra fitaovam-piadiana. Izay zavatra tsy eken'ny mpitondra fiadiana dia tsy ekena tsy satry. Izay izany no mahatonga ny filazan'ny lehiben'ny antoko mpitam-piadiana telo eto Madagasikara manao fanambarana manohitra ny fahatongavan'ny filoha voafidim-bahoaka farany hatrany raha vao manambana ny ho tonga ilay olona: Mba ho ekena ny fitakian-dry zareo dia mitsivalana "tsy satry" ny mpitondra fahefana sivily.

Dia ahoana ny fitakian'ny Mpitsara? Sarotra ny hilaza hoe ho tontosa ny fitakiany fa ny roa andro itokonan-dry zareo fotsiny no avela ho tanterahiny dia miverina miasa indray ry zareo manomboka alarobia. Ny "fitakiana politika" mitaky ny fanesorana an'izatsy na izaroa dia azo eritreretina 99% fa holavina avy hatrany. Sarotsarotra ihany ny handresen'ny 1% izany hoe ny hamaliana ny hetahetany na dia tany an-toerana tany Toliary aza ny Minisitra takiana hiala. Ny SMM anie niseho nandrahona fa rehefa manapaka ny hafa dia manaiky foana aloha hatreto e! Dia inona ny vokany? Lonilony amin'izay iharany fotsiny fa tsy ho afaka mankaiza... Ny fety aloha karakaraina.
  

Aucun commentaire: