23.11.11

Tsy hitako izay itsenana azy




Miala tsiny raha elaela tsy nanoratra teto. Efa nisy ny fikasana hanoratra fa ny fitadiavana mahazaka maniraka, hoy ny fiteny izay. Tsy afaka ivalamparana loatra ny zavatra tsy idiram-bola tahaka itony, na dia tena iondanana tokoa aza. Tery ihany hanoratra fandrao miandry ny hevitra na fomba fijery andrasan'ny mpamaky.

Raha ny resaka rotaka tetsy Behoririka aloha dia efa nanoratra ny momba azy io ihany aho any ambadika any. Ny nahatery hanoratra dia ny filazan'ny mpitarika iray etsy amin'ny Magro fa Hitsena an-dRatsiraka ary hitaona ny mpiara-mitolona aminy hitsena ity olona ity iray ihany koa. Izaho dia tsy mankasitraka velively izay fanentanana izay. Manabe isa ny olona tonga eny izay tsy tohanana akory izany no sady fanakiviana mihitsy, fijeriko izay, ireo mpitolona ireo. Tsy ho amin'iny olona iny no nitolomana ary ny manaraka tantara dia mahafantatra fa anisan'ny atidohan'ny nanonganana ny filoha voafidy farany teto Antananarivo izy.

Ny fiantraikan'ny fanentanana tahaka ireny dia ny manao izay hahavitsy hatrany ny olona sisa manatrika eny amin'ny Magro. Tsy manakana ny fahatongavan'ilay olona sy izay vahaolana entiny aho, saingy ilay hitsena azy kosa dia tsy ao aho izay. Raha ho an'ny mpanohana an-dRatsiraka kosa dia normal izany hoy ny fitenenana.


Aucun commentaire: