10.11.11

Toetr'andro hafahafa




Somary nahagaga ahy ny toetr'andro tao ho ao. Maraina mangatsiaka dia mangatsiaka mahatonga anao hamoaka akanjobà mihitsy. Rehefa mitataovovonana anefa dia indro fa mahamay mampanala akanjo, eo angamba vao mitank'orana. Manomboka folakandro dia indro fa mandrahona indray ary midina ny hafanana ary matetika dia miafara amin'ny orana tsy dia betsaka loatra izany. Tsy tsaroako niainako izany toe-javatra izany fa maraina mafana dia mafana no miditra takariva manorana. Lasa fahavara-dasa tsy tsaroana indray angamba rehefa samy nahatsapa ny olona teto Antananarivo fa tsy nangatsiaka mihitsy ny ririnina tamin'ity taona ity. Sa tsy nahatsikaritra izany ianao?

Aucun commentaire: