2.11.11

Rehefa mitroatra tsy misy afa-manoatra

Tsy haiko loatra fa lasa miresaka zava-misy maneratany aho nefa dia mbola amin'ny teny malagasy ihany no anoratana izany. Amin'izao fotoana izao mba maharaka zava-baovao iraisam-pirenena kely aho noho ny fanarahana tsy fidiny ny FRANCE 24 ka mahita kely ny fandaharana "Les observateurs" milaza ny zavatra malaza aty amin'ny aterineto (Vu sur le net).

Dia malaza indray ny rotaka any Shina noho ny fifandonana eo amin'ny vahoaka sy ny polisy. Inona ny nahatonga izany? Lehiben'ny polisy tao amin'ny tanàna iray afovoan'i Shina tao nandona ka nahafaty olona dimy (lozam-pifamoivoizana). Nahatezitra olona io tranga io ka dia velona ny rotaka. Velona ny fifandonana. Matoa nitroatra ny olona dia mety ho mizaka ny tsy rariny hatry ny ela na ny famoretana hatry ny ela ka rehefa maro no mivondrona dia ny polisy indray no sahirana.

Matetika tokoa ny mpitandro ny filaminana no mihoa-pahefana, fa tsy mbola nahitako na nandrenesako ny filazana izany moa ny aterineto. Lasa tombatombana fotsiny sisa hoe mety ho raharaha mikombona mangina io ka dia ny fihetsehan'ny olona ihany no ahafahana maneho fa manaraka akaiky ity raharaha ity ry zareo. Tsy hoe Lehibe-na polisy no tafiditra anaty raharaha dia ampanginina.

Ny mahavariana ahy manko dia izao : mihevitra aho fa ny polisy shinoa no henjana indrindra amin'ny fifehezana rotaka nefa mba tratran'ny be noho vitsy ihany. Tamin'ity indray mitoraka ity ihany koa dia ny avy ao amin'ny polisy mihitsy no niaingan'ny olana ka tonga dia ao anatin'ny mpifandona ny polisy. Ny ezaka ataony amin'izao fotoana izao dia ny tsy hiitaran'ny hetsika any amin'ny tanàna hafa. Itony no porofo fa na iza na iza tsy afa-manjakazaka, eny fa na dia ianao aza no mpitana ny fitaovam-piadiana.

Lasa ihany ny saina hoe fotoanan'ny gidragidra sy ny fidinana an-dalambe ve izao? Malazalaza ny any Etazonia fa tsy hay nafenina ihany koa ny any Shina izay firenena matanjaka amin'izao fotoana izao.

Aucun commentaire: