7.11.11

Ravalomanana indray

Hiezaka ny tena hanoratra vaovao isan'andro eto. Heverina ho mihoatra ny iray aza izany araka ny vaovao sy adihevitra azo. Misy radio fiantsoan'ny mpihaino isan'andro, isa-maraina, mba henoiko indray hahalalako izay hevitry ny hafa na voakarama izany na tsia, na mafana fo izany na tsia.


sary: Stahlkocher


Fantatsika fa nilaza hivoaka ny sori-dalana (tondro zotra) ny ankolafy Ravalomanana noho ny tsy fankasitrahany ilay fomba fanendreny ny praiminisitra Omer Beriziky amin'izao fotoana izao. Raha nandeha ny fanontanian'ny mpanao gazety hoe tsy karazany manao veto ve izy fa fisintahana no ataony fa tsy manakana ny fanatanterahana izay efa voasonia izy. Mikoropaka noho izay fanapahan-kevitra izay avokoa ny hafa rehetra ary raikitra indray ny fanenjehana ilay olona ho tia tena sy ny karazany.

 Rehefa mandeha anefa izay fanenjehana sy ny karazany izay dia milaza fa henjana ny politika fanorona mipetraka. Mametraka ny fisintahana hoe tahaka ny ahoana ary ny herin'io ankolafy nisintaka io. Voalaza manko fa mitady hihaona amin'ilay mpitarika ny ankolafy any Afrika Atsimo any mihitsy ilay praiminisitra voatendry. Fa iza, hono, ingahy Ravalomanana no ny praiminisitra indray no mihazakazaka mandeha any! Voalaza ho namoaka taratasy ihany koa Atoa Manoro Regis fa raha vao tsy miditra ao amin'io governemanta io ny ankolafy Ravalomanana dia lasa governemanta mandeha ila hatrany ny toe-draharaha ka ahiana tsy hahazo fankatoavana hatrany na dia eken'ny SADC.

Noho ny tsy fitokisana ny mety hataon'ilay praiminisitra voatendry no nitakiana ny hanatanterahana ny andininy faha-20. Maromaro no miantso hoe avelao ho any rehefa tsy hiditra fa ny mpanentana no mamerina hoe efa izay no natao hatrizay fa mbola nikatso teto hatrany ny toe-draharaha. Dia mihodikodina eo ny adihevitra aloha. Na mandeha aza ny fanenjehana sy malaza indray Ravalomanana.

Aucun commentaire: