8.11.11

Mpanakorontana ny Magro



Efa re siosio talohaloha tany ny famoahana didy fa hakatona na tsy azo ivoriana intsony ny etsy amin'ny Magro Behoririka. Velona indray ny filazana fa miteraka korontana amin'ny fiainam-bahoaka eto Antananarivo, eto Madagasikara, ny fivoriana etsy amin'ny Magro. Lazaina ihany koa fa miady ho amin'ny "fantome" fotsiny ireo mivory etsy amin'ny Magro. Asa! valifaty amin'ny filazana ny fitondrana FAT ve dia hoe "fantome"?

Nivoaka an-gazety fa nampanantsoina teny amin'ny prefe ihany koa ny mpitarika ny Magro amin'io fivoriana mbola mitohy etsy amin'ny toerana iray zary malaza io. Namaly ny mpitarika iray avy ao fa tsy mahalala ny fisian'izany fampiantsoana izany velively, ary tahaka izany ihany koa ny namana mpiara-mitarika aminy avy ao. Resaka fampiomanana ny handravana azy daholo ve izany rehetra izany?

Raha izany fanakatonana izany tokoa no tadiavina atao dia na inona na inona fanazavana atao dia fanakanana ny fitakiana am-pilaminana tsy ho azo tontosaina intsony izany ka sanatria sanatria manery ny mpikatroka avy ao hiditra amin'ny fitakiana an-kerisetra izay tsy vahaolana velively ho an'i Madagasikara, tsy manamora amin'ny fivoahana ny krizy velively. Tsy maintsy hijerijery eo na dia ny olona tsy mpankeny aza fa raha tonga tokoa izany fanakanana izany dia vanja milevina ho an'ny mpitantana ankehitriny izany.

Tsara ihany koa ny manamarika fa efa niova mihitsy ny mpitarika eo amin'io toerana iray eo amin'ny Magro io. Vitsy dia vitsy sisa ireo mpitarika voalohany no mbola tavela ao. Saiky efa lasana avokoa ireo mpanao politika mba napetraka ho lohany hatreny Ambohijatovo. Heveriko fa ireo mpanentana ankehitriny ao ireo no nipoitra avy eny amin'ny "olo-tsotra" manan-kevitra. Karazana olom-baovao indray ireo satria tsy olom-baventy tamin'ny politika na dia mety ho mpikatroka politika teo aloha ihany. Fandraisana andraikitra izany ary manamarika fa mihavao ny ankolafy iray heverina ho "lany andro" araka ny fomba fitenin'ny sasany.

Aucun commentaire: