1.11.11

Bolongana Dinamika


Niverina tato indray nanoratra fa misy zavatra mahaliana ny navoakan'ny blogspot na blogger ka mahatamana anay efa nisafidy ny hamoaka izay vetsovetsom-po amin'ny alalany. Araka ny nolazain'ny namana Valy atsy ambadika atsy dia tsy voatery amin'izay endrika atolotra anao voalohany, na hitanao voalohany ihany no azo ijerena azy ity fa misy fomba hafa azonao isafidianana sy manintona anao ihany koa.

Ireo endrika azo isafidianana (Jereo ambanin'ny anaran'ny bolongana indrindra):
Ny anarana hitanao eo ambanin'ny anarana voamena izao dia ny classic izay ahitana voalohany indrindra ny lahatsoratra na votoaty nivoaka farany. Ilaina ihany ny mijery any ambany fandrao efa misy lahatsoratra hafa nivoaka ihany koa.
 Ny flipcard manaraka etoana indray dia misy karazany efatra ka ny roa ihany no aseho sary etoana. Io ambony io dia mifantina ny votoaty na ny lahatsoratra isaky ny daty nivoahany.
Ity manaraka ity kosa dia mamoaka ny votoaty na lohatenin-dahatsoratra na lohatenim-botoaty manasongadina kokoa izay nivoaka farany. Ny roa ambiny izay tsy naseho sary dia manavaka araka ny label sy ny mpanoratra, mbola iray ny mpanoratra eto ka tsy ilaina loatra ny mampiseho azy. Rehefa maromaro ny mpanoratra vao tena mahaliana ny aminy.
Ity manaraka ity kosa indray dia mamoaka ny votoaty na lahatsoratra ho toy ny amin'ny gazety. Raha maromaro ny lahatsoratra mivoaka ao anatin'ny iray andro no tena mahaliana indrindra ny aminy.
Ny mosaika (vakivakim-bato nomontsanin'i Mosesy) eto ambony kosa indray dia mety indrindra ho an'ny sary, ankoatra ny snapshot izay tsy navoakako eto ny dika petaka noho ny tsy mbola fisian'ny sary amin'ny bolongana.
Ary ny sary navoakako farany kosa indray dia manasongadina ihany koa ny fotoana. Izay nosoratako rehetra dia araka ny fijeriko fotsiny fa samy manana ny tiany ny tsirairay. Ny mampiavaka ity Bolongana Dinamika ity dia afaka mifidy soa aman-tsara ny endrika tiany ijerena ny bolongana ny mpamaky fa tsy voatery ho izay endrika tian'ny mpamaham-bolongana ihany no iaretana.

Ho an'ny mpamaham-bolongana namana kosa indray dia andramo ihany sao mba mahaliana anao ity zava-baovao ity.

Aucun commentaire: