4.11.11

Angovo , solika toa samy olana eto Madagasikara

Hoy ny fitenenana malagasy izay hoe : "Akaiky vilany feno arina". Raha ny olona avy eny ambanivohitra sy ny zatra ny fiainana ambanivohitra, na ireo mbola niaina tamin'ny fakana na fividianana kitay dia mahalala tsara izany fomba fiteny izany. Ny zatra fatana solika na gaza na elektrika (solika, etona, herinaratra) kosa mety tsy hahatsikaritra loatra ity arina lazaina. Arina ilay maintimainty amin'ny vodin'ny vilany sy ny sisim-bilany iny. Mety tsy ho hita tsara ilay izy rehefa amin'ny fatana solika, ohatra, fa tratran'ny maintimainty ihany ny tanana rehefa kasihana ireo faritra nolazaiko ireo.

Tsy dia ny hanazava ny teny malagasy loatra no anoratana etoana, fa mba te-hilaza hoe rehefa misy ny olana dia ny akaiky ihany no hita voalohany na ny iharany ihany no tena mahatsapa. Tsy hahafantatra na inona na inona ny olona raha tsy ny mahita sy ny iharan-javatra no miteny. Matetika anefa ny Malagasy no tsy mba miteny loatra izay manjò azy rehefa mahita fa samy iharany daholo ny manodidina. Na samy mimenomenona daholo ny olona fa tsy lasa lavitra fa menomenona am-pitoerana no betsaka. Noho ny fisian'ny fitaovam-pifandraisana anefa dia re ihany ny olana isan-karazany mianjady amin'ny olona ankehitriny.


sary: Clicgauche (2007)


Ny delestazin'ny Jirama indray no malaza amin'izao fotoana izao. Tsy nanavahana fotoana hoe rehefa be mpampiasa jiro amin'ny hariva, tahaka ny mpitranga fahiny, no tena mampirongatra azy fa na dia ny maraina vao mifoha aza na rehefa miditra ny mpianatra sy ny mpiasa mbola io ihany izy. Misy aza ny faritra no maty jiro adiny 8 na 12 na mihoatra aza nefa eto an-drenivohitra eto Antananarivo izany. Tsara anefa ny manamarika fa raha ny vanim-potoana ankehitriny dia tahitahiana mandrakariva Antananarivo ka na dia zavatra tokony omena tanàna hafa aza dia ampandeferana handambolamboana ny mponina an-drenivohitra. Koa rehefa ny eto Antananarivo no tratra tahaka izao dia tsy voafehy intsony ny olana na dia avy matetika aza ny orana isan-kariva.

Antananarivo fotoana vitsy ihany no mimenomenona fa ny any amin'ny faritra any betsaka no tsy mba velona jiro afa-tsy ora vitsivitsy monja. Mampisy elanelana eo amin'ny samy malagasy izay toe-javatra izay. Fa ny tiako soratana indray no adino na dia resaka angavo ihany koa aza.

tobin-dasantsy ivoariana iray

Raha eto Antananarivo no jerena dia voafehy tsara ny solika, manana amby ny eto Madagasikara. Rehefa mandeha mankany ivelan'Antananarivo anefa mety ho tsy tsikaritrao fa miezaka ny mameno araka izay tratra ireo mpamilin'ny fiara fitaterana andehananao. Fitsinjovana ny fiverenana iny fa tsy misy olona hiteny aminao hoe tsy ampy ny solika any amin'ny faritany any. Iray volana lasa aho izay nandeha tany Mahajanga tany. Rehefa tonga teo amin'ny "parkazy" dia gaga fa ny vidin'ny gazoala ihany no nipetraka eo amin'ilay tobin-dasantsy akaiky azy indrindra. Nihevitra aho fa gazoala ihany no amidiny.

Rehefa nisakafo ka nijery ny vaovao tao an-toerana vao gaga fa hay tsy nisy solika nanerana ny tanàna fa nilaharana izany. Andro fahatelo nilaharana solika ireo mpamily fiarakaretsaka (mpanjifa lasantsy) sy môtô. Dia tamin'io vaovao io ihany koa no nahalalana fa manana olana tahaka izany ihany koa ny any Antsiranana sy ny ankamaroan'ny faritra avaratr'i Madagasikara. Tsy fantatry ny any Antananarivo velively anefa izany tsy fisian'ny solika any amin'ny faritra izany. Vao haingana teo indray dia mbola niverina indray io tsy fisiana solika io (Antsiranana) fa tsy henonao raha tsy noho ny jiro tapaka sady tsy afa-nampiasa gropy. Fa mbola tsy re eto Antananarivo ihany izany. Nosy-Be izany moa dia efa fahazarana ny tapaka jiro ka tsy mitaraina intsony angamba ny olona na heno ihany ny fiantraikany rehefa mitroatra milaza ny fahatezerany ny olona.


Aucun commentaire: