31.10.11

Hanenenan'ireo!!!

Efa ela no nangidihidy ny tanako hanoratra momba ny zava-nitranga tany Libya izay nanonganana ny mpitondra tany. Somary nanahirana ihany ny nandika ireo lahatsoratra niresaka momba azy ka nilazana hafaliana amin'ity fahafatesana. Tsy dia mahazatra ny Malagasy loatra izany, eny fa na dia ireo lazaina ho fahavalo aza no maty, fa toy ny manana toe-tsaina mpamosavy. Ny mpamosavy ihany manko no faly amina fahafatesan'olona.

Fanamarihana no ilazana fa fitondram-panjaka no naongan'ny filoha Muammar Al Gaddafi tamin'ny 1969. Teto indray dia mbola fanonganam-panjakana hatrany no misy na dia iniana afenina amin'ny anarana revolisiona aza, saingy revolisiona tokoa ve ny tolona niarahana tamin'ny daroka baomba tandrefana (Frantsay sy Amerikana)?.

Miresaka daroka baomba ihany isika. Efa nisy tranga fanonganam-panjakana tany Guatemala tamin'ny 1954 izay nampian'ny Amerikana tamin'ny fanafihana avy eny an-habakabaka ihany koa. Moa ve tsy ny fiverenan'ny toy izany io nandarohana ho potika tanteraka ny tanànan'i Sirta, Libya io? Nefa lazaina fa ho fiarovana ny sivily no handarohana baomba tranona sivily maro... andeha atao hoe angamba noho ny fisiana mpiady amin'ireny trano ireny saingy raha fanorenana goavana kosa no mirodana toy ny baoritra hafahafa ihany.

Olona iray no nenjehina sy novonoina dia tanàna iray manontolo no potika. Na dia eo ary tsy azo odiana tsy fantatra aza ny lesoka ananan'ity olona iray ity, mba manana toetra sy fisainana tsara kosa izy, indrindra fa amin'ny fampivelarana ny Afrikana, tahaka ny fanomezana zanabolana ho an'ny Afrikana manokana mba ho mora ny sadam-pifandraisana fa tsy hiaritra ny fitsentsefan'ny Tandrefana sy ny Aziatika fotsiny.

Nanafintohina ny Afrikana maro ny fomba namonoana ilay mpitondra Afrikana, ho toy ny biby na olona tsy misy hasiny na voalavo araka ny fifampitenenan'ny samy Libyana... Nefa nampahatsiahy ny fomba namonoana an'i Ernesto Che Guevara tany Bolivia izay baikon'ny mpiasan'ny CIA ny nitifirana azy teo an-tenda mba ilazana fa maty nandritra ny ady ilay raisin'ny revolisionera mitampiadiana rehetra ho maherifo.

Eritreritra ny ahy fa afaka fotoana vitsivitsy monja dia hahatsiaro izay nataon'i Muammar Al Gaddafi ny Libyana ary hanenina tamin'ny nanaovany azy ka ho menatra tamin'ny revolisiona nataony.

Aucun commentaire: