3.4.07

Vavolombelona tsy nampoizina

Tonga dia miaraka indray ny anio sy ny tokony hivoaka omaly. Nandritra ny fanomezam-boninahitra ireo mpitolona menavazana teny Analakely tamin’ny andron’ny 29 marsa 1947 dia nanontaniana izay fantany tamin’iny tolona iny ny vitsivitsy amin’ireo olona ireo. Kanjo dia mpiasan’ny harena ankibon’ny tany tamin’izany fotoana izany no nivantanan’ny fanontaniana. Namaly ampahatsorana tokoa ny lehilahy ary fanontaniana nanitikitika ahy mpanaraka ny tantaram-pirenena no novaliany tamin’io fotoana io.

Raha namaky ny tantaran-dRavaoahangy Andrianavalona Joseph aho…noho izy anisan’ny mpitolona nanorina ny VVS sy ny MDRM dia nahita fa tsy nitsahatra tamin’ny tolona mandrakariva izy ireo. Ry zareo dia tao anatin’ny vondrona nantsoina hoe « gropin’i Tsaralalàna ». Vondrona mpanadihady ny zava-misy eto an-toerana ary mandinika hatrany ny toe-draharaha misy na dia raràn’ny lalàna nisy tamin’izany fotoana izany aza ny karazam-pivoariana tahaka izany eo amin’ny teratany. Io vondrona io ihany koa no handefasan’ny olona ny hetahetany sy ny zava-manjo azy any amin’ny toerana misy azy any.

Ny nahalasa ny saiko tamin’io fotoana io dia ilay anara-tanàna : Tsaralalàna. Amin’izao fotoana izao dia ny karana no tena betsaka amin’iny faritra iny. Tsy fantatro loatra aloha ny fiovaovan’ny mpimpetraka tamin’iny faritra iny fa noheveriko ho toy izany foana hatramin’izay. Nanontany tena ary aho hoe Dia ny tranon’iza amin’ireo Karana be dia be ireo no nanaiky hampiatrano izany fivoriana tsy ara-dalàna izany ? Fanontanian’ny olona tsy niaina ny vanim-potoan’ny fanjanahan-tany tokoa ny an’ny tena.

Fa ny fitenin’ilay nijoro vavolombelona no namaha ny olana. Hay talohan’ny taona 1940 tany ho any ka malagasy avokoa no nonina tamin’iny faritry Tsaralalàna iny. Ary raha mahatadidy isika dia betsaka trano miendrika gasy tokoa tao…efa niova tsikelikely moa ny endriky ny tanàna nakehitriny fa mbola misy kosa ahitana tsara ilay endri-tranona Malagasy vitsivitsy miorina eny. Ny voanjo no nampihorohoro sy nandripaka tsikelikely ireo Malagasy nipetraka teny. Ireo Malagasy ireo no anisan’ny vato nasondrotry ny tany tamin’izany fotoana izany. Ireo no « Grossiste » fandehanan’ny maro ka nahatonga fialonana tamin’ireo voanjo frantsay. Voakitikitika manko ny tombotsoa tokony ho azy. Azo lazaina fa karazam-pihetsika TTS tamin’ny andron’ny revolisiona sosialista izany no nataon’ny voanjo tanatin’ny fotoanan’ny fanjanahan-tany.

Noho izay fampihorohoroana izay indrindra dia voatery niala tao izay sisa tsy maty ka nivarotra ny taniny sy ny tranony tamin’ny vazaha frantsay. Izay vao lasan’ny Frantsay tanteraka ny faritry Tsaralalàna. Nilaza moa ny mpitantara fa tranga iray tsy azo hamaivanina io notantarainy io fa naneho indrindra ny tsy rariny nihatra na dia tamin’ny Malagasy nanana ny hajany aza.

Ny zavatra manaraka kosa dia olona hafa no niresaka tamiko fa tsy tamin’ny fampielezam-peo sy sary. Izy io kosa indray dia niteny fa tsy lasan’ny karana avy hatrany iny toerana iny fa ny vazaha no nivarotra azy tamin’ny taona 1972 andro nandroahana ny vazaha hiala teto Magagasikara. Nilaza kosa indray izy fa nifanaraka ireo vazaha ireo raha handeha fa tsy m isy mahazo mivarotra ny trano sy ny tany amina malagasy fa aleo olon-kafa no ivarotana azy. Ny vokany : lasan’ny Karana ambongadiny indray Tsaralalàna. Tsy mbola azoko nohamarinaina loatra ny fahamarinan’ity resaka faharoa ity nefa tsy lavitra ny fahamarinana ihany na dia izany aza !

Fifaliana ho an’ny filoha

Androm-pahatsiarovana ho amin’ny tolom-panafahana sy ireo nitolona omaly alakamisy. Hazakazaka hatrany ho an’ny filoha sy ny mpanaraka azy indray omaly. Nanomboka teo amin’ny fianonana protestanta Analakely, nitohy teo amin’ny tsangambato 1947. Nandeha tany avaratr’Ankatso tany amin’ny fasan’ny mahery fo ary dia nifarana teo amin’ny kianjan’ny 13 ho fanomezana mari-boninahitra ny sasany amin’ireo nitolona tamin’ny 1947 izany ny tapakandron’ny maraina.

Ny tsikaritra mety tsy ho voasoratra no tena soratako etoana ankoatra izay lazain’ny gazety any. Ankoatra ny filoha dia nanao ilay tanana havanana mankeny an-tratra havia tokony hanandrify ny fo ihany koa ny praiminisitra sy ny filohan’ny antenimiera. Asa aiza angaha no ahitana ny sarin’ireny fihetsika ireny. Ataoko fa tsy ho izaho irery no ahatsikaritra io fihetsika io.

Manaraka izany, araka ny nambarako ihany tamin’ny fetim-pirenena Maorisiana fa tsy maintsy hisy ampitovitoviany amin’iny amin’ny fetim-pirenena. Kanjo moa dia omaly 29 marsa izany no karazany notanterahiny. Ny mpianatra avy amin’ny sekolim-panjakana, tsy miankina na fiangonana na fanjakana, tsy miankina fa sekolim-piangonana ambaratonga faharoa sy ambaratonga faharoa manokana. Samy manana ny ravaka nampiavaka azy ireo sekoly ireo na ravaka manokana izany na akanjo andavanandro fanao ihany. Izay dia efa nahafaly ny filoha na dia somary niadana loatra aza ny famindra.

Tsy ny mpianatra ihany no nilahatra fa ny skoto ao amin’ny FSM sy ny ao amin’ny fiarahamonim-pirenena ahitana ny kilemaina sy ny vehivavy silamo sy ireo mpandala ny zon’olombelona ihany koa. Samy manana ny fanehoany avokoa ireo andian’olona nilahatra teny amin’ny kianjan’ny 13 mey ireo.

Somary nahalasa saina ihany manko hoe naninona no nampilahatra ireo karazan’olona ireo ny filoha sy ny mpikarakara ny fihetsiketsehana ? Angamba misy zavatra tiany aseho amin’ny be sy ny maro fa manana ny fahefana izy ary misy ny fanovana (fanitsiana ny lalam-panorenana indray io) tian-katao ka manentana ny olona rehetra amin’ny fomba ankolaka ry zareo.

Aucun commentaire: