12.4.07

Raha ny marina

Raha ny marina dia mahafinaritra ny mitoratoraka ny vaovao sy ny torapo eto amin'ity blaogy ity. Tsy fantatro marina izay zavamisy na isaky ny atoandro aty Dago dia matory ny famoahandahatsoratra na tsia. Tsy mety mahatoraka intsony manko aho amin'ny maraina na atoandro fa miandry firavana mihitsy vao mety rehefa isisihana mandrakariva. Mampahatsiahy ny fanao rehefa hiantso amin'ny alalan'ny telma ilay mitoraka blaogy eto. Fahefatr'adiny mbola tsy tafiditra hatrany. Mahazo ilay hoe tsy misokatra io tadiavinao io na tsy mety angamba ny parametre-nao. Dia vaka eo ny saina. Ankotrihinia hatrany fa e-he (Actualiser-na no tiako lazaina eo).
Dia mety ho lasa ihany indray ny eritreritro hoe ny famoahana na fahazoam-baovao sy serasera ampiasaiko ihany koa no mety mihatsentsina ka tsy mahafapo ahy loatra intsony. Nefa mivoaka ihany anie ny sehatra hafa e! dia ahoana izany? Dia tsy fantatro intsony izay marina. Dia hoy aho hoe be loatra ihany koa anie ireto blaogy itorahako ireto e! izay tsaratsara moa dia mba iangaliako ihany koa. Rehefa tsy metimety loatra dia aleo ialana moramora toy ny fialan'ny jiosy. Tsy jiosy anefa ny tena fa jentilisa ka aleo mampandre anareo ihany hoe any amin'ny atrika jentilisa any angamba aho no manome fotoana anareo aloha, raha sanatria ka tsy mety mivoaka ny ao dia ao amin'ny Andavanandron'iarivo ihany koa ny faharoa. Ity Andavanandron'iarivo ity ihany koa moa tsy mahafapo ahy loatra no nahatonga ahy misisika eto hatramin'izao.
Mieritreritra aho hoe aleo mitazona tokana amin'izay dia io no fehezina araka izay mety fa manahirana ihany ity manamaro ity. Dia ny Atrika jentilisa izany no ezahina tazonina. Any indray angamba tsara mihaona fa ny eto efa manahirana ihany. Ho tahiry indray aloha ny eto mandra-pisian'ny fiovan-kevitra indray. Ny olombelona moa mora miovaova hevitra izay ihany, ary tahaka izany ihany koa ny tenako. Ny lehilahy tia vao izay, hoy ny fiteny ka izay angaha no nahatonga ahy hionona amin'ilay iray izay Malagasy rahateo no miandraikitra azy voalohany.
Tena ho tsindraindray angamba sisa no andalovako eto.

1 commentaire:

Anonyme a dit…

jentilisa a. I Blogger mihitsy io mitapitapy io angamba, fa na adiny zato ianao vao tafiditra ao, na tonga dia mikatso fotsiny izao ny matos (tsy haiko ny anao fa ny ahy aloha Mozilla no ampiasaiko)