6.4.07

Ny eritreritry ny filoha

Ataoko fa efa hitan’ny mpamaky gazety ny fivoaran’ny fanangonam-bokatra tamin’ny fitsapa-kevi-bahoaka tamin’ny alarobia lasa teo. Ny hariva manko araka hita dia toa nihabetsaka tampoka teo ny tahan’ny fandraisana anjara aloha ary na ny fandroson’ny « Eny » ihany koa aza. Ny tena moa mbola namonjy alakamisy masina ka tsy nanaraka loatra ny vaovao.

Toy izao ary aloha ny vokatra azo tamin’ny 6 ora maraina ary nolazain’ny Rnm tamin’ny vaovao maraina tamin’ny 6 ora sy sasany : Ny isan’ny birao fandatsaham-bato nahazoam-bokatra dia 9.289 amin’ny 17.586 manerana ny Nosy izany hoe ny 52.82%n’ny biarao fandatsaham-bato no efa azo ny vokatra vonjimaika sady tsy ofisialy. Ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana amin’izany dia 5.003.128, ny isan’ny tonga nandatsa-bato kosa dia 2.051.997 (41.01%) ary azo lazaina avy hatrany fa avoavo ihany izany taha izany. Ny isan’ny vato nanakery tamin’izany dia 2.011.065 ka ny 1.459.276 (72.56%) no azon’ny Eny ary ny 553.617 (27.53%) kosa no azon’ny Tsia. Azo marihina tsara fa tsy mifanampy tsara ilay vokatra hita eo saingy izay moa no nahazoako azy no sady vonjimaika io araka ny filaza fa tsy ofisialy tsy akory.

Fa hitodika vetivety amin’ilay hoe katsahin’ny filoha amin’ity fitsapa-kevi-bahoaka ity aho araka ny andraisako azy. Tamin’ny fifidianana ho filoham-pirenena dia efa nisy ny faritra resy be ny filoha amperinasa. Efa nahoraka tamin’izany fotoana izany fa tezitra ny lehilahy. Anisan’ny faritra tena nokarakarainy manokana tamin’ny foto-drafitr’asa manko ireo faritra naharesy azy ireo. Ohatra ny faritra atsimo andrefana sy ny faritra Sava, voakarakara ihany koa na dia tsy mitovy amin’ireo roa voalohany ireo ny faritra atsinanana na analanjirofo. Ny manodidina azy no niteny hoe safidin’ny olona kokoa amin’ny trangan-javatra sahala amin’itony raha ny olon any aminy aloha no fidiany koa aza atao mahagaga loatra re.

Voalaza moa fa nitony ihany ny lehilahy tamin’izany fandresen-dahatra nataon’ny manodidina azy izany. Mbola tsy maty lolo izy na dia izany aza ka ninia nanao io fitsapa-kevi-bahoaka io, araka ny fiheverako hoy aho, hanamarina izay nolazain’ny manodidina azy. Ny faritra tena andrasany izany amin’ity fitsapa-kevi-bahoaka ity dia ireo naharesy (faharoa na fahatelo) azy. Azo lazaina hoe nijery izy raha tena efa lasa faritra mpanohitra tokoa ireo faritra « tsy nifidy » azy na nanana safidy olon-kafa aloha fa manaiky azy hitondra rehefa izy no lanieram-bahoaka. Dia azo lazaina fa nisy fivoarany be tokoa ny safidin’ny faritra sasany.

Raisiko ho ohatra makadiry amin’izany ny faritry Melaky faritra nampahery an’i Voninahitsy Jean Eugene : Amin’ny birao fandatsaham-bato 184 voaray dia 51.928 ny isan’ny nisoratra anarana ka ny 27.954 no tonga nifidy (54.22%) ka ny 25.109 (90.54%) no nanao ny Eny fa ny 2.624 (9.46%) kosa no nanao ny Tsia. Fijeriko azy dia io aloha no isan-jato ambony indrindra azon’ny Eny amin’ny faritra rehetra. Amiko manokana dia tsy ampoizina ihany izy io raha tsy hoe miala ainy indray angaha ny filazana fa nisy halabato tany (mbola tsy nisy aloha io filazana io).

Izany hoe nanao karazana fihodinana faharoa ankolaka ihany ny tenany tamin’ny fanaovana io fitsapa-kevi-bahoaka io. Nahagaga manko fa efa nitondra teo izy dia izao nanontany sahady ny olona io. Ny olona efa nitondra matetika dia alohan’ny fifidianana ho filoham-pirenena matetika no manontany ny vahoaka izy…amin’ireny fotoana ireny koa moa matetika dia ny fanalavana ny fotoam-piasany no mahamaika ny mpitondra. Ity aloha tsy nisy fanalavana izany fe-potoana iasany izany. Ny olona vao mandray fahefana matetika no manao fitsapa-kevi-bahoaka avy hatrany raha vao azony io fitondrana io. Ohatra rehefa tafaverina teo amin’ny fitondrana indray ny filoha Ratsiraka. Mety ho hevitra ihany koa ny hoe mba tsy hanitsahany intsony (hanosihoseny) ny lalam-panorenana no nahatonga azy hanao izany saingy ilay famaritana ny teny hoe miverimberina sy mavesatra amin’ny fanosihosena ny lalam-panorenana mihitsy no tsy mazava ka sarotra anenjehana azy afa-tsy hoe tena antoko hafa indray no lasa mitondra.

1 commentaire:

Anonyme a dit…

misy fahamarinany ny voalazanao ary marina ihany koa hoe tsy mifanaraka amin'ny fomba fitondran'ingahy filoha intsony ilay lalam-panorenana.

raha ny fijeriko azy aloha dia tena angady mondro tsy mahatapak'ahitra ilay faritany mizaka tena saingy efa fahazaran-tsaina ilay hoe izaho boaka toliary na boaka diego. lasa indray izany ny hoe izahay analamanga na atsinanana.

noho izany : tsara ny fiovana fa sarotra ny miova.