5.4.07

Nandritra ny androm-pifidianana

Dia tontosa soa aman-tsara ihany ny fitsapa-kevi-bahoaka momba ny fanitsiana ny lalam-panorenana omaly.Levona talohan’ny fotoam-pifidianana ihany i Jaya. Voalaza manko fa tamin’ny telo ora maraina omaly io rivodoza nahiana hifaninana tamin’ny fifidianana io. Somary nampihomehy ny fandehan’ny raharaha mikasika io rivodoza io fa na izaho no tsy nahara-baovao na ny vaovao no tsy nahasahy nilaza na inona na inona aloha fa « miandry baiko » indray angamba.

Ny maraina manko dia erika hatrany no nifafy teto Antananarivo. Nanontany tena ny olona hoe efa lasa aiza ary ilay rivodoza ? nandrasana izay havoakan’ny vaovao fa e-he ny fikarakarana ny fifidianana ihany no natao sesi-montotra. Niniana narona na misokatra na tsia ihany ny biraom-pifidianana tany amin’ny faritra nandalovan’ny rivodoza ny sain’ny be sy ny maro. Tsy nisy niteny momba ny rivodoza ny fampahalalam-baovao narahina. Na ny haino aman-jery no tsy te-hamoaka izay sarotra inoana ihany na ny sampan-draharaha misahana ny toetr’andro no nahazo baiko tsy hamoaka vaovao momba io raharaha io. Efa avy niteny momba ny fahalevonany ny filoha tamin’ny 11 ora atoandro vao namoaka sy nampita tamin’ny fampahalalam-baovao isan-karazany ny tao Ambohidempona.

Ny tany amin’ny biraom-pifidianana indray dia tsy nisy filaharana mihitsy raha tsy noho ny fahabangan’anarana tao amin’ny lisitra nefa ny kara-pifidianana teo ampelatanana. Rehefa tranga tahaka io nolazaiko io dia notovanana tany amin’ny faran’ny lisitra ny anarana sy ny mombamomba ilay mpifidy. Ny fanoratana ny anarana tamni’ny penina izany no mety ho nahaela ny fotoana fa ny filaharana dia tsy nisy mihitsy. Tsy nisy koa izany ny olona nihaodihaody manodidina ny biraom-pifidianana.

Tonga indray ny hariva, nitsidika kely ny tany amin’ny biraom-pifidianana aho hijery ny fanisam-bato alohan’ny handehanana hamonjy ny herinandro masina fa tena tsy nisy olona mihitsy. Ny mpikambana ao amin’ny birao fandatsaham-bato ihany no nanisa azy tao miampy olona roa na telo angaha. Ny tany ampiangonana anefa na katolika na protestanta hita fa betsaka noho ny mahazatra aza ny olona. Tombanana ho noho ny andro tsy niasana no nahatonga izany toe-javatra izany.

Voamarika ihany koa, ary nolazain’ny gazety rahateo fa be ny orinasa afakaba no niasa nandritra ny andron’ny omaly. Mety ho araka ny karazany ho tsy firaharahiana ny fanapahan-kevitry ny fanjakana ilay izy nefa rehefa nodinihina dia samy tsy niraharaha na ny mpampiasa na ny mpiasa. Noraviravizan’ny mpampiasa tamin’ny hoe « fanampin-karama » manko ny mpiasa dia roboka avokoa. Izaho manokana dia mahatsapa fa voafandrika avokoa izay mpiasa niasa noho ny sitrany ahay noho izay fandraviravizana izay fotsiny. Efa fampisafidianana ho amin’ny fanitsakitsahana ny zo mha-olom-pirenena manko izany ary hataony fanao amin’izay amin’ny fotoana manaraka rehetra.

Hatramin’izao ary dia eo amin’ny 31% eo ho eo ny tahan’ny fandraisana anjara ka ny 67% no azon’ny Eny ary 33% eo ho eo kosa no azon’ny tsia. Mbola ny 5%n’ny birao fandatsaham-bato manerana ny nosy no nakana izany vokatra vonjimaika izany. Hotohizana amin’ny manaraka indray moa ny tena nandrasan’ny filoha tamin’io andron’ny omaly io araka ny fahatsapako azy.

Aucun commentaire: