10.4.07

Fa inona ity ataon-dRavalomanana?

Fanamarihana: Niezaka aho ny handefa ny vaovao maraina saingy tsy mety foana izy ity. Na izany aza efa vonona foana ny lahatsoratra matetika ary ataoko fa tsy mampaninona anareo loatra na dia hariava aza aho no mahapetraka azy eto.
Mahalala isika rehetra fa fialam-bolin’ny eto an-tanàna ary tena tiany tokoa ny andron’ny alatsinain’ny Paska. Tena nifandroritana tokoa ny fiara mivoaka ny tanàna ary misy aza ny mahasahy mandeha an-tongotra vao maraina fa tsy nanantena hitaingina izay fitateram-bahoaka izay toa ny matanjaka ihany no tafiditra aloha noho ny fifanosehana. Tsy te-hiresaka lavabe loatra ny amin’ity loatra aho satria any amin’ny andavanandron’Iarivo no efa itantarako azy. Fa izay nataon-dRavalomanana omaly no lazaiko tsotra etoana.

Niainga maraina avy tany amin’ny fiasany tao Ambohitsorohitra angaha ny lehilahy niaraka tamina vazaha izay inoana fa tompon’andraikitra ambony eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Araka ny fijery azy dia hizotra ho any amin’ny lapam-panjakana eny Iavoloha ry zareo ireto. Mazava loatra fa tsy maintsy arahina mpiambina ry zareo ireto. Ny nahita dia nahamarika fa sambany ny mpiambina manaraka azy no niaraka tamin’ny basy kalachnickov. Raha ny tokony ho izy dia ny vondro-tafika manokana amin’ny fiarovana ny filoha no mitondra basy tahaka ireny manerana ny lalana handalovan’ny filoha. Tamin’ity indray mandeha ity kosa dia ireo mpiambina akaiky mihitsy no nitondra basy, na niaraka akaiky ny vondro-tafika sy ny mpiambina akaiky.

Mazava loatra fa any amin’ny lalana tena be mpandeha no tsy maintsy aleha. Safidy telo no azony natao na mandeha hatraty amin’ny lalana mahazatra manaraka ny toby Ratsimandrava, mitohy mankany Ankadimbahoaka ary ny faharoa kosa dia hatraty Ambanidia Manakambahiny Tsimbazaza iny. Fa ny lalana nalehany dia nahodiny ho any amin’ny By-Pass ny lalana. Eo no mahavariana ? Niniana nalefa any ve ilay olona ? Ny arabe manko tena hipoka tanteraka tahaka ireny any Isotry amin’ny andro Asabotsy ireny. Anarany no lalamanivaka iny fa rehefa andro fialantsasatra kosa dia mitohana tanteraka e ! Ny fiara mijanona manaraka ny sisin’ny arabe ary ny olona samy feno azy na ny arabe na ny sisiny. Matetika no tafajanona ampovoan’ny arabe ny fiara mitondra ny filoha sy ireo fiara manaraka azy. Tsy afa-mihetsika intsony.

Dia lasa ny eritreritro manao hoe inona ary no tanjony tamin’izy teny amin’ny By-Pass ? Te-hiditra anaty vahoaka hahalala izay tena fitiavan’ny olona azy na tsy itiavan’ny olona azy ve ? Sa mba te-hijery mivantana ny habetsaky ny olona mitsangatsangana mivoaka ny tanàna ? Ny tena hita tamin’ny tele aloha (satria nandeha telaviziona izy io) dia be ny olona niarahaba azy tamin’ny hofahofan-tanana. Ny fiara niaraka taminy tamin’izany fotoana izany moa dia ireo fiara mercedes telo sy ny môtô misava lalana. Nampiasainy mafy aloha ny mpiambina tamin’ity indray mitoraka ity e !

Aucun commentaire: