11.4.07

Diso tetika?

Ny mpanara-baovao politika dia mahafantatra tsara ny teny fampanantenana nataon'ny minisitry ny atitany sady praiminisitra nametraka ny fanamby hanangonana ny voka-pifidianana ao anatin'ny telo andro. Nisy avy hatrany moa ny gazety nanambara fa tena ho sarotra ny hanatanterahana izany fanamby izany raha ny fahatongavan'ny vokatra andro voalohany no noheverina. Kanjo moa saiky...SAIKY tontosa ihany izany.
Nokendrena ho ny Sabotsy alina no voangona io voka-pifidianana io raha kaontiana tsara ilay telo andro nanaovana fanamby. Tany ambadika tany dia fanangonana isam-paritra sady fifaninanana eo amin'ny samy faritra no nanaovana io fanamby telo andro io. Nobaikoana avokoa izany ny Ben'ny faritra mba ho voangona ao anatin'ny telo andro ny vokatra any amin'ny faritra misy azy. Misy tetika politika ihany ao anatin'izany.
Raha tontosa tokoa manko io telo andro io dia ho nodradradradraina fa haingana kokoa noho ny vokatra nangonina isam-paritany ny vokatra isam-paritra. Tonga ny Sabotsy : 96.3%n'ny vokatra no voangona. Noheverina fa ny ampitso izany raha ela dia azo avokoa ny vokatra rehetra. Efa nanakaiky ny tanjona ny zava-bita. Kanjo, teo vao tena nikatso ny fanangonana azy tany amin'ny faritra sasany tany. Nisy naharaka ve ny tanjon'ny governemanta hanaporofo ny mahahaingana kokoa ny fampandrosoana isam-paritra noho ny isam-paritany ? Mitsingerina manko ity ny andro nanaovana ny fitsapa-kevi-bahoaka, voalaza fa mbola misy birao iray tsy nahazoam-bokatra. Mihevitra aho fa tezitra amin'io ny filoha Ravalomanana amin'ny tsy ahafahany manaporofo dieny aty amboalohany ny mahamety ilay fanitsiana.
Mahatadidy tsara manko aho fa herinandro katroka no nanangonana ny voka-pifidianana tamin'ny volana desambra lasa teo ary tamin'ny gazety no nahitana fa ireo mpiasan'ny fampianarana no tena nifofotra tamin'izany ezaka izany. Tamin'ity indray mitoraka ity kosa dia ny tao amin'ny atitany avy amin'ny faritra no tena niezaka nanangona ny vokatra. Fifaninanana ambadika eo amin'ny samy mpiasam-bahoaka izany no misy. Marina kosa aloha fa nanaovana filazana manokana mihitsy ny fanangonam-bokatra tany amin'ny faritra saro-dalana tamin'ny volana desambra ary ny angidim-by no nanangoona azy nefa heveriko avy hatrany fa tokony ho tsy latsa-danja noho izay vitan'ny departemanta hafa ny an'ny minisiteran'ny atitany tamin'ity indray mitoraka ity.

Aucun commentaire: