26.3.07

Tsiahin'ny omaly

Tsiaron’ny omaly
Na ahoana na ahoana tsy maintsy ho tsaroana ny baolina omaly. Nandalo teto amin’ny tanàna tokoa ny ekipa iray nilalao tamin’ny mondial 2006 farany teo. Dia noraisina tamim-boninahitra tokoa moa ry zareo na dia mpifanandrina amin’ny tena aza. Ataoko fa tsy mbola nisy fandraisana ekipa vahiny tahaka ny natao tamin’ny Ivoariana omaly ireny : Ny lakilen’ny tanàna, lavanila iray fonosana miendrika amboara no natolotra an’i Didier Drogba mialoha ny lalao avokoa. Na izany na tsy izany dia misy ny zavatra tokony hotantaraina manodidina azy ity.

Ny maraina teo am-pividianana tapakila

Izaho izay manoratra dia tamin’ny valo ora katroka no tonga teo anoloan’ny fividianana tapakila. Mazava loatra fa na dia amin’ny valo ora maraina aza vao misokatra ny fivarotana ny tapakila dia efa tena anisan’ireo tratra aoriana tsy tokony hahazo tapakila intsony aho. Nandeha nitady ny faran’ny laharana aho na dia izany aza. Eo amin’ny kianja mitafo moa io fividianana tapakila io. Misy maromaro ny fivarotana eo, tsy tadidiko intsony na telo na efatra. Dia nizotra niatsinanana nianatsimo ny dia nanaraka iny tambohon’i Mahamasina iny. Nandeha aho fa mbola tsy hitako ihany ny farany.

Tsikaritro tampoka fa misy laharana koa eo ampita atsinanan’ny tamboho. Gaga aho sady nanontany tena hoe fa angaha misy fivarotana tapakila hafa koa moa amin’iny ? Saiky hiverina aho hamonjy iny laharana iny saingy naleoko indray nanohy nijery ny laharana farany amin’ilay manaraka ny tamboho. Tonga teo anoloan’ny lapan’ny fanatanjahan-tena sy kolontsaina aho vao gaga fa hay misy laharana miampita arabe izy ity. Tsy azoko loatra na mankany amin’ny kianja mitafo ity laharana niampita ity na mankany amin’ny lapan’ny fanatanjahantena. Samy toerana fividianana tapakila rahateo moa izany. Efa misy mifampiditra hafahafa izany aza moa ny laharana teo araka ny fahitako azy.

Nahita izay toe-javatra izay aho dia niteny hoe tena tsy hahazo tapakila intsony aho izany. Tsy dia nataoko ho olana ny tamin’iny satria hampitaina mivantana amin’ny fahitalavitra ilay izy. Ny olana tao amiko fotsiny dia raha tapaka noho ny delestazy tsy fanta-pihaviana tampoka indray ny jiro. Efa tsy natao hahagaga intsony moa raha mitranga tampoka ny toy izany. Dia nitodi-doha hiverina aho hitaratra faraparany fandrao misy olona azo omena ny vola ahafahana miditra. Teny an-dalana aho no naheno hoe tapakila dimy isan’olona no azon’ny mpividy iray vidiana (efa misy dimy izany !). Kanjo nisy mpiara-miasa amiko taloha izay nikapokapoka ny lamosiko tao an-damosina tao. Nitady olona koa izy. Na izany na tsy izany dia niteny izy fa ny fahaizana mitsofoka anaty laharana ihany no kendrena dia mety hahazo tapakila avy hatrany. Izaho moa tamin’ny voalohany nandalovako afaka nanao izany tsara satria nahita ny mpitaondro ny filaminana somary variana saingy nieritreritra handaha ampim-pahatsorana ihany.

Dia lasa ranamana fa nitsofoka tao anaty laharana, ery am-pita ihany manko no azon’ny hafa andehanana saingy nihorakorahan’ny olona ka noesorin’ny polisy. Dia niverina teny ampita indray. Fa rehefa tonga nanatrika ny fivarotana iny indrindra no nisy fiara tafajanona. Tonga dia nanararaotra niampita avokoa ireo mpisisika ary anisan’izany ranamana teo. Tonga dia teo anoloan’ny fivarotana mihitsy no tafajoro. Nokarohiny maso aho ary dia hitany. Dia natsangako ny fonondroko toy ny nilaza hoe iray ihany. Dia nahazo tapakila izy.

Inona ny lesoka hita teto ampividianana tapakila teo amin’ny kianja mitafo teto ? Tsy nasiana baravy mibahana ny olona avy taty ivelan’ny laharana teo ka mora ny nitsofoka. Hanafenana zavatra maizina io, hoy ny nitantarako azy. Efa any amin’ny fivarotana ny mason’ireo nilahatra fa tsy mijery izay misongona horakorahana intsony. Mazava loatra fa matetika dia ny mpisongona hatrany no tena mividy teo amin’ny fivarotana faharoa sy fahatelo fa ny voalohany an’ny mpilahatra hatramin’ny efatra na dimy maraina. Tamin’ny valo ora sy fahefany aho dia nahazo ny tapakila ahafahako miditra mijery baolina. Ny laharan’ny tapakila azoko dia notadidiako tsara mihitsy fa n° 15352 sahady. Tsy fantantro hoe hatraiza moa izany ny laharana tao amin’ny kianaja mitafo no io sahady ny laharana azoko ? Lasan’eritreritra avy hatrany aho.

Manaraka izany ilay mpividy iray mitondra tapakila 5 koa dia tokony ho tsy mety fa roa na telo farafahabetsany no tokony ho izy. Efa mandeha any amin’ny risoroso sahady indray ny tapakila raha toy izany no fandehany. Ireo anefa metetika tsy nilahatra sahala amiko ihany fa resaka « olom-pantatra » ihany.

Ny andro ary vao amin’ny valo ora sy fahefany nefa ny fidirana ny kianja amin’ny sivy ora araka ny heno dia miandry indray aloha izany. Saingy izao : natositosiky ny mpitandro ny filaminana indray ireto milahatra hiditra ny kianja fa hoe maenilngelina hoe. Tadiaviny aparitaka indray izahay teo…loza ! fanahy iniana ilay « manakorotana » sa tena tsy fahaizana mihitsy ? efa lasalasa sahady ny saiko hoe hanao ahoana izany rehefa hampiditra olona indray ?

Aucun commentaire: