17.3.07

Sombim-baovao 170307

Matoam-baovao tao amin’ny Rfi
Noho ny fandalovan’ny rivo-doza maromaro teto an-tanindrazana dia ny solontenan’ny firenena mikambana mihitsy no nanao antso avo ho fanampiana an’i Madagasikara. Nolazainy fa vola mitentina $9.000.000 any ho any no ilaina ho fanarenana ny firenena amin’ity indray indray mitoraka ity ka miantso ny firenen-drehetra izy hanampy an’i Madagasikara. Ny nahamatoambaovao an’i Madagasikara tao amin’ity radio ity androany dia ny nilazana tao fa vonona ny hanome $2.000.000 ny fitondrana frantsay. Nanambara moa izy fa efa hatramin’ny volana desambra teo dia enina sahady ny rivodoza nandravarava teto amin’ny Nosy.

Ny nahavariana raha nihaino vaovao maraina tamin’ny radio maro dia tsy nisy filazana ny amin’ity vaovao nampitain’ny Rfi ity mihitsy. Hita ihany anefa ny antso nataon’ny solontenan’ny firenena mikambana tao amin’ny gazety « Ny Vaovaontsika ». Mety ho nisy tany anaty gazety rehetra tany fa tsy naseho tao amin’ny pejy voalohany moa izany

Baolina fandaka
Misedra fahasahiranana ihany ny ekipan’i Adema vantany vao tonga tany Kinsasha. Ny Seranana any an-toerana dia ny miaramila no mifehy azy. Ny zavatra rehetra tonga dia vola izay no mikaonty. Fantatsika moa fa ekipa misahana ny seranana ny Adema ka tsy nampandoavin-dry zareo vola (Visa ?) ny Kongoley raha tonga taty. Nanantena izy ireo fa mba tsy takiana vola (sa Royalties ?) koa rehefa mivahiny any amin-dry zareo. Tsy izany no nitranga fa tonga dia $100 isan’olona no notadiavin-dry zareo miaramila, miaramila manko no mifehy ny seranana araka ny nolazaiko teo. Nanazava ihany ry zareo nefa tonga dia voavaly hoe tsy misy ifandraisan’ny Tout Puissant Mazembe amin’ny seranana fehezinay ka tsy idiranay ny amin’izany resakareo izany.

Voatery nanatona ny federasiona tany an-toerana moa ry zareo ka nilaza ny federasiona tany fa tsy afaka hiditra an-tsehatra loatra amin’ny karazan-javatra toy itony. Mba hanamorana ny raharaha dia nilaza ry zareo fa aloan-dry zareo ny $50 isan’olona fa an’ny Malagasy kosa ny mandoa ny ambiny. Mba tsy hahasarotra ny fifandraisana dia naleo nanaiky, hoy ry zareo. Araka ny fitantaran’ny mpanao gazety nanaraka tany an-toerana moa dia rahampitso alahady amin’ny 5 ora sy sasany aty an-toerana (Madagasikara) no hanombohan’ny lalao any.

Ny mikasika an’i Ajesaia kosa indray moa dia nolazaina ihany koa fa rahampitso alahady koa no hotontosaina ny lalao. Tsy araka ny nambara taloha hoe Zoma izany fa Alahady indray ! ny somary nahavariana ahy dia tsy fantatra loatra ny vaovao any an-toerana. Noho ny tsy fahampiambola manko dia vitsy araka izay voafehy ny isan’ny olona nandeha tany : ny mpilalao 17, ny mpanazatra 1, dokotera 1 ary mpitarika ny ekipa 1 ihany. Ireo no zakan’ny tsena hoy ny fitenenana izay.

Eo amin’ny fanomanantenan’ny Barea kosa moa dia hikatroka amin’ny Akademia izany ry zareo ireto rahampitso. Mandeha dia mandeha tokoa ny tsikera amin’ny antso an-tarobia hoe vitsy loatra ny andro hiomanana. Tsy velomina amin’ny rano akory ireo mpilalao ireo na dia izany aza fa vola daholo no miala amin’izany rehetra izany. Voatsikera mandrakariva moa fa tia vola loatra ny Federasiona…mety ho marina izany fa ny fikarakarana rehetra mila vola avokoa.

Aucun commentaire: