5.3.07

Sarotra ny lalao sady ratsy tohana koa!

Izay avy hatrany no azo amehezana ny vokatra tamin’ny alahady teo indrindra indrindra. Ny asabotsy moa dia tsy nahita tsara aho ka tsy hitako loatra izay lazaina. Ny hany hitako tamin’ity lalao farany ity dia tsy tsikaritro akory hoe efa nanesorana iray anie ny Egytpiana ireto. Hita fotsiny fa somary maromaro kokoa ny fanafihana malagasy. Rehefa mamaly fanafihana anefa ny vahiny dia tena hita sahirana mihitsy ireo ao amin’ny fiarovana. Sahala ireny hoe mba mihetsika fotsiny fa dia tena lalaovin’ny vahiny mihitsy ny baolina.

Ny hita dia misy fahasamihafana ny fomba fanohanan’ny mpijery ireo ekipa roa ireo. Mazava loatra fa araka ny ataon’ny mpilalao ihany no hampafana ny mpijery. Mpijery tokoa fa tsy mpanohana loatra. Mbola mila ezaka manokana ny fitaizana ny mpijery ho lasa mpanohana tsy misy fepetra na dia hita fa mivoraka aza ny mpilalaon’ny tena. Fony aho namonjy an’i Mahamasina ny sabotsy teo dia nanao fanahy iniana aho ny tsy nihaino radio mihitsy. Rehefa tonga teny an-toerana aho dia gaga amin’ny fanginan’ny mpijery. Lasan’eritreritra aho nanao hoe fa resy 1 sy 4 sa 1 sy 5 no mangina tahaka izao ?

Misy ihany ireo mitabataba hanohana fa vitsy loatra miohatra amin’ireto mangina be fotsiny. Efa nisy moa ny vondron’olona nanangana fikambanana hanohana tsy misy fepetra fa raha vao mangina dia tsinian’ny hafa avy hatrany. Ny mifampirisika no tokony ho izy saingy mifanakiana no hita.

Ny tena loza dia ny toraka tavoahangin-dabiera ataon’ny mpijery sasany ny alahady ka saiky nahavoa ny mpitsara anjorony iray. Notorahan’ny sasany tahaka izany koa ireo mpilalao fiandry taorian’ny tokonany misy azy. Manaporofo ny fidirana antsokosokon’ny labiera sy ny toaka eto Mahamasina. Impiry raràna nefa dia misy mpivarotra azy mihitsy ao anaty kianja. Efa nisy ihany anefa tamin’ny herintaona fisavana mafotaka tsy hidirana tavoahangy mihitsy ka tsy nahitana toraka tavoahangy mandratra. Ankehitriny dia manimba ny fitiavana mihitsy ny fanaon’ny sasany. Tsy mba misy fakan-tsary fitsikilovana izay manao ny tsy mety tokoa moa ny eto amin’ny tanàna ka manao ny danin’ny kibony.

5 commentaires:

Anonyme a dit…

ka ahoana ny tokon'aina amin'ny lalao famerenana ?
2-2 ny an'ny ajesaia
fa ilay anankiray kosa mba firy sy firy ? (combien sur combien sur le tableau ? hoy ilay rangahy izay fony izay mbola kely).

jentilisa a dit…

Marina tokoa ny fanontanianao, satria any ivelany ianao. mitovy tanteraka ny voka-dalao. Naka tahaka ny Adema hoy ny saritatry ny gazety Les nouvelles izay.

Ny mahavariana na ny eto Antananarivo aza dia mbola betsaka ny tsy mahalala ny vokatra faharoa ity!

Zavatra faharoa dia mety hihaona koa ny Ajsesaia sy ny TPMazembe!

Anonyme a dit…

tena TPmazana be izany ô !
tamin'izaha mbola kely dia nisy an'izay ekipa buffalo warriors izay avy any zambia ka tena tsy nety lanin'ny gasy mihitsy

jentilisa a dit…

Mbola tsy nandeha ny baolina dia efa hoe Mazambe no filazan'ny olona azy! Ny zambiana indray moa dia ry zareo hatrany no vato misakana ho antsika malagasy. Fa raha afaka eo isika tahaka ny misosa ho azy ny dia.

Tahaka izany ny dian'ny fc Bfv tamin'ny taona 95 tany ho any. Efa tany amin'ny atsasa-pamaranana mihitsy isika vao resy tamin'izany fotoana izany. Fa raha ny henoko dia nanao sahala taminy omaly koa ny Uscafoot. Ny gazety anio ihany no teha hahitantsika ny fahamarinany. Anio indray raha tsy misy ny sampona no hihaona amin'ny TPMazembe ry zareo ireto. Tsy henoko mihitsy manko raha ho tontosa izy ity na tsia!

jentilisa a dit…

Ajesaia no tiako lazaina mety hihaona amin'ny TPM.