6.3.07

Ny herin'ny mpijery

Mbola resaka mpijery amin’ny ankapobeny ihany ity, indrindra moa fa ny baolina fandaka. Heverina ho tsy dia misy dikany angaha ny zavatra ataon’ny mpijery nefa dia misy fiantraikany amin’ny rehetra hatrany na ahoana na ahoana. Eny fa na dia amin’ny mpilalao ngeza zatra lalao goavana aza dia mety ho voateriterin’ny fihetsiky ny mpijery ihany. Ohatra iray no holazaiko ary dia tamin’ny ekipan’ny Tout Puissant Mazembe mihitsy no hitako.

Ny alahady ary dia ny mpanazatran’ny TPMazembe no niditra ny kianja voalohany. Nametrapetraka « borne » maromaro teny amin’ny kianja teny izy aloha. Tsy zavatra mipetrapetraka fotsiny fa karazany mandrefy amin’ny tongony mihitsy ny lehilahy. Nananihany moa ny mpampiesona hoe tahaka ny misikidy izany ny lehilahy mametraka ireo toy ny tako-bilany kely miloko mavokely maro ireo. Tsy niraharaha izay siotsiokan’ny mpijery sasany aloha izy. Rehefa vita ny nataony dia lasa niditra tany amin’ny fiomanan’ny mpilalao tany indray izy.

Rehefa kelikely dia niditra ny kianja amin’izay ireo mpilalao vahiny ireo. Maromaro kokoa ny siotsioka saingy tsy ny rehetra tsy akory. Tsy dia niraharaha izay siotsioka aloha ny mpilalao vahiny. Ny toerana tena ilalaovan-dry zareo koa moa somary manatrika kokoa ny « tribunes » ka lavitra ihany raha izay sioka. Dia nikitikitika ny baolina tao anatin’ny faritra nametrahan’ny mpanazatra ireo « sikidiny » ihany ny mpilalao. Izany hoe tena miezaka milalao anaty faritra tena tery izy rehetra. Ny fomba filalaon’ny rehetra amin’iny ihany moa no atao amin’ny tolotra sy fanenjehana baolina.

Efa folo miniotra taorian’ny fidiran’ny vahiny vao niditra ny malagasy mbola hanafana tena ihany koa aloha io. Iray aloha no nanivatsiva avy tany. Tonga dia tehaka mirefodrefotra no nataon’ny mpijery iray manontolo. Niherika avokoa ny mpilalao vahiny rehetra nijery izay notehafana. Heveriny ho iza angaha io nefa ny ao an-tsain’ny mpijery dia hoe ireny ny anay. Rehefa niara-niditra avy any ny mpilalao hafa rehetra dia niampy horaka ny nataon’ny mpijery rehetra fa tafajanona kely mihitsy ny fanazaran-tenan’ireo mpilalao vahiny rehetra tsy misy anavahana. Izany hoe zavatra madinidinika tsy ampoizina dia mety hahavariana ny mpilalao eny ambony kianja eny fa na dia ilay mpilalao mahery tao aminy aza dia mba variana ihany koa.

Aucun commentaire: