14.3.07

Ny an'ny mahay miteny

Toy ny vondron’asa rehetra dia manana ny olona mahay sy manao ny asany amim-pahamatorana ny mpanao gazety. Ankoatra ny safidy mety ho efa ananan’ny tsirairay dia milaza tsikelikely anaty na aloha na aorian’ny vaovao ny votoatin’ny lalam-panorenana mbola miasa sy ireo handrotsaham-bato ny haino aman-jery matotra rehetra. Amin’ny ankapobeny dia mamaky tsy misy diso sy tsy misy fanazavana ny lohateny sy ny andinin-dalàna ry zareo. Tahaka ireny miteny amin’ny dokambarotra ireny ihany ka liana ihany ianao hihaino. Io dia na vaovao maraina, na atoandro na hariva mihitsy fa tsy hoe indray mandeha isan’andro tsy akory.

Ny hany mahakamo dia mahakamo ny mihaino azy dia ny an’ny Haino aman-jerim-panjakana mahasahana ny Nosy manontolo na ambava io na jerena. Tsotra ny antony : ireo teknisiana no asaina manazava tsikelikely ny votoaty ankapoben’ny lalam-panorenana. Ny teknisiana tiako lazaina eto dia ireo namolavola na nandrakitra an-tsoratra ny andininy nasiana fanitsiana araka ny fiteny azy mahazatra moa izany. Ny feo efa lavitra ny fihainoana azy moa ireo miteny ihany koa te-hatory izany ny fahatsapana azy. Raha mihaino kelikely azy ianao dia renoky ny torimaso eo raha mihaino fotsiny fa tsy manao zavatra hafa. Raha manao zavatra hafa indray moa dia tsy haheno na inona na inona intsony fa tsy mahaliana tsotra izao e !

Zavatra hafa mihitsy indray, lasam-binany fotsiny aho miteny hoe dia ho 3 sy 1 ny valin’ny lalao voalohany hihaonan’i Ajesaia sy Ismailia ary 4 sy 1 kosa amin’ny Adema sy Mazembe ve ? Tsy fantatro kosa izay mandresy fa ny vokatra ihany no mampanahy na mahafaly raha izay tokoa !

3 commentaires:

Anonyme a dit…

Ary mahay maminany nareo zany jentilisa an?

jentilisa a dit…

Kely fotsiny sisa an! zavatra nahavariana ahy koa io aloha ary izay mihitsy no nitenenako azy mialoha! tsy ho sahy hiteny mihitsy aho fa hoe resy ny gasy aloha!

jentilisa a dit…

Fa tena mbola baraingo be kosa aloha ny baolina raha amin'ny alahady!