27.3.07

Noesorina hoe?

Lasa hafatra ho an’ny tompon’andraikitra isan-tokony indray aloha no soratako etoana na dia tsy miala amin’ny baolina fandaka aza ny resaka eto. Hagagana manko ny an’ny tena raha nandre fe noesorina tamin’ny toerany ireo mpanazatra telo mirahalahy ao amin’ny Barea de Madagascar.

Hagagana toy ny an’ny mpankafy io taranja io ihany. Saiky nitovitovy avokoa ny hevitry ny maro niresahana raha vao nilatsaka fotsiny ny fanapahan-kevitra. Tian-ko fantarina tsara eto hoe iza moa izany no tena tompon’andraikitra tamin’ny faharesena aloha ary tamin’ny fanalana ny mpanazatra avy eo ?

Matoa aho minia mitantara ny zavatra niainako tamin’io alahadin’ny baolina io dia karazana fijoroana vavolombelona amin’ny zavatra maro tsy tomombana amin’ny fikarakarana ao. Zavatra antsipirihany izay nefa ao amin’ny antsipirihany indrindra no tena ahitana ny fahamatoran’ny fikarakarana ny zavatra atao.

Talohan’ny lalao dia efa niteny ireo mpanazatra ireo fa tsy mpanao fahagagana izy ireo fa hiezaka kosa hanao izay mety. Izaho manokana dia midera ny fanapahan-kevitry ry zareo teo amin’ny fifidianana ny mpilalao na dia misy ihany aza atao hoe tsy fetezana kely tamin’ireo mpilalao sasany. Ohatra : ny tsy nampilalaovana ny maro amin’ireo mpilalaon’ny Adema amiko manokana dia nety satria sarotra tenenina ry zalahy ireo indrindra rehefa nidiram-baolina izay. Marina fa manana ny fahaizany saingy ho fampanajana ny mahalalao iraisana ny baolina fandaka dia nankasitrahako ny « nanilahana » ireo mpilalao ireo.

Ny tsikera tena re moa dia ny amin’ny Fanefa Ima. Olona tsy anaty ekipa ny lehilahy ary matetika no mamotsotra na mianjera am-panafihana…ary tsy manenjika ny baolina somary lasa alohaloha kokoa nefa tsy hivoaka akory (ilay baolina io) ka mamela malalaka ny fiarovana vahiny haka azy tsy misy fahasahiranana. Fahakamoana sa fahakelezan’aina ? tsy fantatro loatra. Ny eritreritra moa dia tiana aseho amin’ny ekipan’ny Nantes izy hoe lany ao anaty ekipam-pirenena ka mba « raiso ».

Ankoatra izay ataoko fa nanao izay mety ny mpilalao. Ny fahadisoana faharoa indray dia ny tokony hampidirana avy hatrany an’i Doula (Ajesaia) sy Claudio ( Ny antsika) raha vao niandoha fotsiny ny fidirana faharoa rehefa tsy nampidirina amboalohany ihany ry zalahy. Nisy koa moa ny nilaza fa ankavian’i Bota (Goalkeeper) avokoa ny nidiran’ny baolina…Asa marina tokoa ve izany indrindra tamin’ny baolina tafiditra faharoa izay ny fiarovana sisa no niezaka hisakana araka izay azony natao.

Ny ankoatra izay kosa dia anjaran’ny federasiona avokoa. Fampivondronana tratra aoriana loatra. Fanendrena mpanazatra tahaka izany ihany koa. Toerana fampivondronana ireo mpilalao tamin’ny toerana tsy sahaza azy ireo fa toy ny toeran-gadra sanatria. Ny fikarakarana tsy araka izay nolazaina fa toa niniana nakorotana mihitsy aza mba hisian’ny fidiram-bola amin’ny fomba hafa (fivarotana tapakila any amin’ny risoriso indrindra indrindra ary sanatrian’izany ireo mikarakara ny tapakila ihany no tena rangory fototry ny olana).

Amiko manokana dia fialana andraikitra na fanilihana andraikitra ny fanalana ireo mpanazatra nanao araka izay mety tahaka ny mpilalao ihany. Zavatra iray ihany koa moa eo ampamakiana ny vaovao dia tahaka ny efa nahita solony sahady ny minisiteran’ny fanatanjahan-tena saingy mbola tsy nambarany moa hoe iza izy io. Na izany na tsy izany, manahy ihany aho fa tsy hijanona amin’izao ity toe-javatra mampalahelo ity.

Aucun commentaire: