13.3.07

Mivantana avy tany Mauritius

Asa raha tao anaty fandaharam-potoana na tsia fa nandeha mivantana tao amin’ny Tvm ny lanonana fankalazana ny faha-39 taona nahazoan’i Mauritius fahaleovantena. Tsy fahita firy ny tahaka izany nefa tsy atao mahagaga satria nasaina manokana tamin’izany fety izany ny filoha Ravalomanana Marc. Ny televiziona Mbc moa no loharano nakana ny sary.

Ho anay tsy mivoaka ny nosy, tsy mandingana ny riaka dia nahitan-javatra ilay fampitana mivantana ny matso sa lanonam-panjakana tamin’ity indray mitoraka ity. Voalohany amin’izany ny fotoana. Tolakandro no nanatanterahana ny matso fa tsy maraina tahaka ny antsika Malagasy. Marihina aloha fa somary efa teny antenantenam-potoana no nalefa ny sary ka tsy nisy nahita izay fanombohana tany ny Malagasy nijery Tvm.

Manaraka izany tsy tena tratra ny matso nataon’ny miaramila fa nisy kely tazana ihany. Raha notopazana dia nahitana fahasamihafana tamin’ny an’ny Malagasy. Somary variana kely aho, nieritreritra hoe tena efa nisy Amiraly tokoa nitondra an’i Madagasikara. Ny famindrana amin’ny ankapobeny dia samy manana ny gadony ny isan-tarika na isaky ny vondro-tafika. Vao tazanin-davitra dia tsy mitovy famindra avokoa ny miaramila na polisy rehetra. Hafa indray ny Malagasy raha amin’ity taranja ity. Tsara rindra tokoa ny antsika satria efa mba mpijery ny matso isaky ny fetim-pirenena malagasy ihany koa manko ny tena indrindra fa amin’ny televiziona. Iny mozika iny manko misy gadona (dobok’amponga lehibe) tsy miova mihitsy. Rehefa midoboka io ampongabe io dia tokony higadona amin’ny tany ny tongotra havia izay.

Ny fomba famindra ihany koa moa dia samy manana ny azy ny Malagasy ny ny Maorisiana. Firenen-tsamihafa rahateo no nanjanaka no sady efa naka tahaka ny famindra Eoropeana Tatsinanana isika tamin’ny andron’ny Revolisiona sosialista. Ny tanana ny an-dry zareo no tena mipelipelika fa ny tongotra somary miraikitra izay ny feny. Izay angamba no tsy nitiavan’ny Amiraly ny famindra tandrefana loatra ka nakany ny famindra Sovietika. Hatramin’izao anefa dia tsy miova io famindra io ary mbola tsy ho azo eritreretina loatra ny hanova io fomba famindra mahitsy tsara ny tongotra rehetra ary « atsipy » lavitra mihitsyaraka izay azo atao io. Izay moa ny fomba nitenenana azy taminay fony teo ambany faneva.

Tsy nisy loatra ny fiaran’ny miaramila nitondra tafondro, ny fiara mifono vy araka ny fiteny sy ny karazany fa ny fiaran’ny mpamonjy voina sy trano may no naseho ny rehetra. Tahaka ny firenena tsy mieritreritra loatra ny fanafihana avy any ivelany na tsy hampihorohoro ny hery vahiny sa mampiseho ihany koa fa tsy manana ireny fitaovana mandany solika ireny
Ry zareo tompon-tanàna ? Nieritreritra aho hoe sarotra ho an’ny mpanongana noho izany ny hampiasa fitaovam-piadiana somary mahery vaika nefa raha manana fitaovana ny mety ho mpioko dia ny eo amin’ny fitondrana indray no sahirana. Na izany na tsy izany tsy mbola nahenoana izany fanonganam-panjakana na fikasana tahaka izany loatra ny ao Mauritius aloha.

Fa rehefa vita ny an’ny tafika amin’ny ankapobeny dia miala any indray ny mpanao fanatanjahantena. Na ny mpitantara aza nilaza fa tsy fahita loatra ilay fihetsika. Nanao karazana fanazarantena mirindra manko ny mpanao ady totohondry nandeha voalohany. Tahaka izany ihany fa misy toy ny fifandonana « mirindra » ihany koa ny haiady Karate. Ny kung-fu Wushu moa dia ireny sinoa fihaviana ireny daholo mihitsy ny ankamaroany. Toy ny maneho ny fahasamihafam-pihaviana sy ny fandraisana anjaran’ny rehetra amin’ny fampiroboroboana ny firenena sy ny kolontsainy ny rehetra amin’izany fihetsika izany.

Nilaza moa ny mpitantara fa fiomanana amin’ny lalaon’ny Nosy hatao eto Madagasikara no tena antony nilaharan’ireto mpanao fanatanjahantena ireto. Ny baolina fandaka moa dia nisy vitsivitsy nanao tanisa ary vehivavy ny iray amin’izy ireo. Dia nandalo koa ireo mpitondra môtô sy bisikileta ary ny mpanao karting ihany koa aza. Hoy aho hoe mety hisy baiko ihany koa avy amin’ny filoha Ravalomanana hanao tahaka izao rehefa tonga eto Madagasikara izy ka hankalaza ny fetim-pirenentsika koa isika. Hitako nahafinaritra azy manko ny fihetsika nanoloana azy. Ny any amin’ny faritany no mety ho misy ny toy izao isan-taona fa ny eto Antananarivo ny mijery ihany no mahafinaritra azy aloha !

Fa na izany na tsy izany dia hita taratra mihitsy fa mbola tsy mahay mandrindra ny sary ihany koa ny televiziona any an-toerana…na izaho no zatra fomba hafa ka tsy mahazaka ity fomban-dry zareo ity. Mivadibadika loatra ny fakan-dry zareo sary ka mbetika ny mpanao matso avy any ankavanana no miankavia eo amin’ny sary, tampoka eo lasa ankavia miankavanana indray ilay matso. Tena somary nisaritaka kely mihitsy aho. Nahatadidy aho na dia izany aza fa na amin’ny baolina fandaka Eoropeana aza dia asiana soratra fanamarihana mihitsy hoe « angle reverse » rehefa avy aty amin’ny andanin’ny lalana ianao no mivadika hatreny amin’ny ankilany indray no maka sary. Dia gaga ny tena hoe izao moa dia lasa alohan’ny Malagasy ny Maorisiana ?
Ary ny hitako farany dia ny anaran-tanàna, ny toerana nanaovana ny matso manko dia tao Waterfront tao Port-Louis. Raha mahatadidy ihany koa isika tamin’ny fanokafana ny fitaratry Madagasikara ao amin’ity firenena ity fa ao Floréal ny toerana misy azy. Vao maheno izany ny gasy eto dia anarana orinasa avy hatrany no ao an-tsaina. Manana ny masoivohony eto Madagasikara avokoa manko izany anaran-tanàna avy amin’ny anarana orinasa izany. Dia hoy aho hoe efa fisainana asa tokoa angaha ny an-dry zareo ka very ny anarana taloha raha nisy na izay mihitsy vao manana anarana io toerana io.

Aucun commentaire: