20.3.07

Misokatra anio ny fampielezan-kevitra!

Araka ny nofaritana dia anio no manomboka ny fampielezan-kevitra ho fampandaniana ny Eny na ny Tsia. Fitsapana ny hevi-bahoaka izay hotanterahina amin’ny alarobia 4 avrily ho avy io (Ao anatin’ny alarobia masina amin’ny alimanaka kristiana). Dia hitako tamin’ny fahitalavitra tantanin’ny fianakavian’ny filoham-pirenena aloha fa tao Ankorondrano, foibe-toeran’ny Tiako i Madagasikara, no notontsosainy ny fanokafana ny fampielezan-kevitra ho amin’ny Eny. Mazava loatra fa nalefa mivantana tamin’ny fahitalavitra ny fanokafana ny fampielezan-kevitra fa manana fantso-piseraserana ry zareo.

Tamin’ny ankapobeny dia nafantoka tamin’ny mahatsara kokoa ny faritra noho ny faritany ny kabary fohin’ireo nandray fitenenana. Tenin’ny filohan’ny delegasiona manokan’ny faritanin’Antananarivo moa ny hoe na ho amin’ny fanafoanana ny faritany aza ny fanaovana ny eny nefa aho filohan’ny faritany ka ho amin’ny fampandrosoana haingana ny raharaha dia mazoto aho ny hampanao eny amin’ity fitsapa-kevi-bahoaka ity. Tsy nisy nanao filazana lava loatra tahaka ny izay vao nahazo fitenenana ka manararaotra aloha fa voafehy avokoa ny fotoana tamin’ny ankapobeny. Nanatrika ny fotoana avokoa moa ireo lehiben’ny andrim-panjakana hatramin’ny filoham-pirenena. Mazava loatra fa izy no namarana ny fotoana talohakelin’ny tamin’ny folo ora maraina indrindra.

Ny somary singaniko manokana dia ny tenin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Mahafaritsy Samuel manondro ny nifidianana olona hafa ankoatra ny filoha ankehitriny ho fahadisoan-dalana tamin’ny fifidianana ho filoham-pirenena farany teo. Tsy any amin’ny fivavahana kosa angamba ka hisy ny atao hoe diso lalana fa safidin’ny tsirairay no nojerena tamin’iny fotoana iny. Izay no naharesy lahatra azy ka tsy mety loatra raha melohina amin’ny safidiny ny olona

Nangina tampoka !
Efa fantatry ny mpanara-baovao fa resy avokoa ny solontena malagasy amin’ny baolina fandaka tamin’ny faran’ny herinandro teo iny. Raha natambatra ny isa dia 10 noho 2 be izao ny elanelan’isa. Niteraka resa-be tokoa ny lalao telo (miaraka amin’ny faharesen’i Barea nanoloana ny Akademia) nandritra ny tontolon’ny andro omaly. Androany kosa dia nangina tampoka ny resaka. Tahaka ireny hoe tsy misy baolina omanina izany amin’ny alahady ho avy izao. Be loatra manko ny manahy fahaesena be amin’io andro « lehibe » io ka ny itadiavana ny tsy ho montsana sisa no tena tadiavina.

3 commentaires:

Anonyme a dit…

Hanohy faminaniana (sandoka) indray aho fa ohatry ny nahazohazo tsirony t@ ilay indray maka iry!

1) Fifidianana: Handresy amin'ny isa mazava ny ENY, saingy ho maivana dia maivana ny faharisihan'ny mpifidy.

2) Baolina kitra: Tsy haharesy Barea rizareo Elefantan'i Kotidivoara @ faran'ny herinandro izao etsy Mahamasina.

jentilisa a dit…

Tsy aleo ve aloha hijery ireo 22 voafantina aloha?

Anonyme a dit…

Hisy banderole misoratra hoe: "FMF,Ahmad sy ny tariny mialà!!" izany @ Alahady izao ry jentilisa.