8.3.07

Mikaonty ihany ny vola

Mialoha ny zava-drehetra dia miarahaba hatrany ny vehivavy rehetra nahatratra ity andron’ny 8 marsa andro natokana ho andron’ny vehivavy eran-tany ity. Andro lehibe ihany satria anisan’ny nampiova zavatra be dia be teto amin’ity tany fandalovana ity ny fanamarihana ity andro ity isan-taona. Nahafahana nilaza sy namboraka ny zavatra tsy mety rehetra any amin’ny miafina any ka heverina ho nahamenatra ny namoaka izany ho fanta-bahoaka. Na izany na tsy izany tsy ratsy miohatra noho ny hafa loatra ny toerana misy ny vehivavy Malagasy eto an-toerana na dia mbola misy ihany aza ireo tsy manaja ny hasin’ny vehivavy any anaty fiaraha-monina any.

Mbola mitohy amin’ny resaka baolina fandaka ihany isika eto fa zavatra hafa indray no resahina. Tsy sanatria resaka kolikoly na sisi-bola izy ity fa ny lanjan’ny vola amin’ny sehatra andavanandro ary tafiditra amin’izany indrindra indrindra ny fanatanjahan-tena. Andeha atao hoe tsy taratry ny fahantrana na haren’ny firenena iray ny fandrosoana na fihemoran’ny fanatanjahan-tena ao aminy. Nefa dia hitaratra any amin’ny fikarakaran’ny fanjakana na fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana ny tanora ny fitaovana eo ampelatanan’ny tanora heverina fa ho avin’ny fireneny sy efa heriny rahateo moa rehefa miatrika fifaninam-pirenena na iraisam-pirenena.

Raha mbola nizatra teo an-kianja ny mpilalao malagasy sy ny mpilalao vahiny tamin’ny alahady teo dia nitsiky tampoka aho nahita ny fahasamihafan’ny fitaovana ampiasain’ny andaniny sy ny ankilany. Ny vahiny dia manao akanjo amboniny ary mitovy tsy misy valaka ny fanamian’izy rehetra. Ny mpiandry tokonana no manana ny azy manokana nefa izy mirahalahy ihany koa dia tena mitovy tanteraka ny fanamiany. Sady lava rahateo izy mirahaly ka tahaka ireny hoe kambana ireny mihitsy mihazakazaka. Miara-mamindra koa moa ry zalahy ka moa va tsy toy mandroroa ny maso. Ny laharana ao andamosina ihany (1) sy (22) no hany iavahan’izy mirahalahy. Heverina ho ny sinoa ihany no sarotra avahana hay raha atao tazan-davitra sarotra avahana ihany koa ny afrikana nanoloana ny tena.

Ny mpilalaon’ny eto an-toerana kosa dia fanamiana mitovy ny an’ny mpilalao fiandry, fanamiana hafa mitovy ny an’ny hiditra voalohany ary samy manana ny akanjony kosa ny mpiandry tokonana malagasy. Tonga dia fantatra avy hatrany ny mpilalao hiditra ny kianja rehefa avy eo. Marina kosa fa tsy nitambambe toy ny vahiny ry zalahy fa samy nanana ny fanazara-tenany avy ireo andaniny tsirairay avy eo amin’ny samy malagasy ireo. Eo angamba dia miditra avy hatrany ny toe-tsaina hiatrika ny tena lalao afaka kelikely. Toy ny niara-nientana hatrany ny vahiny rehefa milalao ary mifarimbona hatrany kosa. Ny Malagasy kosa lasa samy naka ho azy rehefa tena nandeha ny lalao.

Fa ny tena tiako tantaraina kosa indray dia ity : ny loko na fahanteran’ny baolina ry zareo. Na afangaro sahala amin’inona aza ny baolin’ny andaniny sy ny ankilany dia mora avahana sahala amin’ny « mitsimpom-bary » (fa angaha moa tsy ny akotry no tsimponina ?) ny baolin’ny vahiny sy ny baolin’ny Malagasy. Ny baolin’ny andaniny dia hita avy hatrany fa efa nandalo tany malalaka tsy nisy bozaka ary ampangain’ny lokony eny ihany. Ny an’ny hafa moa dia ny baolina tamin’ny mondial no nentiny teny Mahamasina. Oviana tokoa moa isika vao hahatakatra ny sahala amin’ireny amin’izao toe-bolan’ny tsirairay izao ?

Aucun commentaire: