12.3.07

Manga sy mavo

Ny zatra mahita ny sary famantarana an’Antananarivo dia mahafantatra avy hatrany fa izany no lokony. Ny mavo natao ho dindon’ny vary ary ny manga kosa ho dindon’ny rano. Tsy mifanary tahaka ny vary sy ny rano, na an-tsaha na an-tanàna hoy ny fitenenana efa tsy nataoko tamin’ny endriny intsony. Ny teny tigetra ihany koa dia mitovitovy dika amin’ny sary famantarana ihany koa : « Ny arivolahy tsy maty indray andro ». Manambara firaisankina amin’ny ankapobeny nefa tsy maintsy miaraka aminy ny herim-pon’ny tsirairay ao anatin’izany firaisankina izany. Mba tsy hisy ny hitomotoe-poana na hialangalana amin’ny fandraisana andraikitra.

Eto kosa dia tsy hiara-dalana ny loko manga sy mavo fa hifanohitra, hampifanoherina no marina kokoa. Nolazaina manko ankehitriny ny lokon’ny taratasy hanaovana ny eny sy ny tsia amin’ny fitsapa-kevi-bahoaka ho avy io. Raha tsy diso fitadidy aho dia tahaka izay ihany ny loko nataon’ny Profesora Zafy Albert rehefa te-hanitsy ny lalam-panorenana izy. Ny manga hatrany no nanaovana ny lokon’ny eny ary ny mavo no nanaovana no lokon’ny tsia. Ny kalitaon’ny taratasy sisa no tsy fantatra hoe tsara kokoa ve ny an’ny eny sa dia tena mitovy tsy misy valaka fa ny loko ihany no samihafa ?

Aucun commentaire: