28.3.07

Latsaky ny ora iray

Dia hiresaka momba ny fidirana tao amin’ny fijerevam-baolina tao Mahamasina indray ary isika. Izaho raha vao nahazo tapakila dia nody kely aloha. Tsarovy fa tamin’ny fisokafan’ny fivarotana mihitsy aho no tonga ary tamin’ny valo sy fahatelony dia efa nahazo ny tapakila ahafahako mijery baolina. Katroka anefa ny tamin’ny sivy mbola tsy nampiditra ihany ry zareo. Efa noezahina hampidirina amin’ny ora mitovy rahateo moa ny mpijery. Ny resaka tanaty vaovao nakana ny feon’ny nilahatra hiditra no nahenoako io resaka io.

Aleo tokoa lazaina fa vao nanomboka ny vaovao maraina tamin’ny 7 sy sasany ny radio nasionaly ny alahady dia resaka tamin’ireo mpilahatra hividy tapakila ireo no nanombohany ny resaka ary ny vehivavy moa indrindra indrindra no tena nanontaniana. Nisy ary ny nilaza fa avy tany Tsiroanomandidy mihitsy izy no tonga hijery baolina fotsiny, vehivavy izy io. Ny atondro kosa indray, vaovaon’ny rnm ihany no laaiko etoana dia olona nitaraina hoe tamin’ny sivy sy folo mbola tsy nampidirina ihany. Izaho moa amin’izany ora izany any an-trano niverina natory kely satria tena tratry ny sery mahery aho tamin’io andro io nefa hikiry hijery baolina ihany koa.

Avy eo anefa dia nambara tao anaty vaovao ihany fa tamin’ny 10 ora katroka dia efa feno hipoka tanteraka ny fijerem-baolina « gradins » teo Mahamasina. Mahavariana sy mahatalanjona. Latsaky ny ora iray izany dia tafiditra avokoa ny heverina ho 24.000 mpijery nefa mahatratra any amin’ny 35.000 any ho any iny araka ny fanombanako azy ( mba tsy hilazana kosa hoe 40.000). Dia haingana dia haingana tokoa izany fampidirana olona izany amin’ny vavahady nisaiko fa efatra miditra an’io Mahamasina io. Jereo ary ny kajikajy kely.

Andeha horaisina amin’ny filazana ofisialy ny isan’ny tafiditra :24.000. Dia kajiana amin’ny vavahady fidirana 4. Atao hoe nahatafiditra olona 6.000 teo ho eo ny vavahady iray. Mody atao hoe ora iray no nahafahana nampiditra ireo olona 6.000 ireo. Olona 100 isa-minitra no tafiditra isaky ny vavahady amin’ny ankapobeny. Tena haingana dia haingana tokoa izany araka ny fijeriko azy. Voajery tsara ve ny tapakila amin’izay fotoana izay ? Rehefa miditra moa tonga dia lasany avokoa ny tapakila. Fomba hanafenan-javatra io.

Maninona moa, ary tsy sasatra aho, raha mitazona ny ampahany betsaka amin’ny tapakilany hatrany ny mpijery fa tsy ny niditra « maimai-poana » indray no be bahambahana. Amin’izay fotoana izay azo endahina sy avoaka ny kianja ireo tsy manana tapakila fa mameno vetivety ny toerana fotsiny. Ny nahavariana na dia izany aza. Mbola teo ampilaharana ireo anisan’ny tonga voalohany nilahatra dia efa nanakaiky ny ho feno sahady ny kianja.

Misy ny milaza fa misy tapakila tsy amidy any amin’ny toerana tokony ivarotana azy hatrany fa lalankafa mody risoriso no amarotana azy. Fomba efa fanaon’ny maro tamin’ny federasiona hafa izany, araka ny tenin’ny mpahalala, mba hahazoana bizina amin’ny alalan’ny lalao iray. Efa misy fifanarahana amin’ny mpiandraikitra ny tapakila sy ny « mpanao risoriso » amin’ny fitsinjarana ny vola ho ampaosin’ny tsirairay miray kopaka isasahana. Ataoko eto hoe tsy voatery ho izany tsy akory no nitranga tamin’ity indray mitoraka ity fa fiahiahiana ihany ny an’ny tena.

Izaho manokana dia tamin’ny 12 ora no niverina teny Mahamasina ary tantaraiko amin’izay ny zava-nanjo ny tena talohan’ny lalao aloha !!!

Aucun commentaire: