23.3.07

Laisitey hoe?

Zavatra iray mahabe resaka ny sasany ity laisitey ity. Eny, raha amin’ny tany hafa izay nogejaina antokom-pivavahana ka nitolona niala tamin’izany fanagejana izany dia rariny loatra raha misy fihetsehana mafy amin’ny fotoana hikitikitihana io lohahevitra iray io. Fa ny eto Madagasikara kosa toa tsy nisy izany tolona hialana amin’ny « gejan’ny antokom-pivavahana » na inona na inona izany.

Fahadisoana voalohany raha mieritreritra ny momba io dia ny laisitey ampifanandrinana amin’ny fivavahana kristiana ihany no mby ao an-tsaina. Tsy izany anefa no tena manjaka eto Madagasikara fa ny fivavahana amin’ny razana. Ary mbola tena manana ny lanjany mihitsy io fivavahana io indrindra fa any amin’ny faritra hafa ivelan’Antananarivo any. Manana ny heriny izy ireny satria afaka mandidy ny olony hifidy an’izatsy kandida izatsy rehefa tonga ny fifidianana. Raha izay afaka mandidy izay anefa dia maneho fa fitaovana hakana fahefana ilay fivavahana. Isika milaza ho miaro ny laisitey : rariny ve io toe-javatra lazaiko io sa tsia ? Mifanaraka amin’ny laisitey ve izany sa tsia ?

Manaraka izany amin’ny 26 jona indrindra indrindra. Efa tsy resahiko intsony ny fivavahana fangataham-pitahiana ho an’ny firenena amin’io vanim-potoana io. Atao hoe tsy misy fanjakana sy « fiangonana » mifampiditra ao anatiny. Fa any amin’ny fiainana ambanivohitra. Terena hanatrika joro ny olona, io joro io dia fomba fivavahana amin’ny razana na dia mody afenina amin’ny teny hoe fanaon-drazana aza. Eo ny mahaolana ilay rafitrq fokonolona. Afaka manery hoe izao no fomba ka raha tsy manaiky iny dia toy ny fihantsiana izay…maika moa fa hoe tsy manaiky ilay toe-javatra ny olona dia ahoana ?

Mazava loatra fa mbola misy dingana tokony arahina aty amintsika vao tokony ho tonga amin’izany laisitey napetraka teto amintsika amin’ny fotoana mbola tsy vonona ho amin’izany ny sain’ny be sy ny maro. Koa amiko manokana dia mila tolona lavitr’ezaka manokana io laisitey io vao tsara apetraka. Hevitro manokana kosa aloha izay !

3 commentaires:

Anonyme a dit…

dia izao aho vao nahita io teny "laisitey" io ? avy aiza no fiaviany ? na firafiny ?

Anonyme a dit…

hay hoe laïcité ? tss

jentilisa a dit…

aza fady fa mbola tsy nahita teny malagasy dikan'io aho aloha!