7.3.07

Ity indray"ny fihetsiky ny mpijery"

Mariho tsara fa tsy mitovy ny lohateny na dia mety hoe mitohy aza ny fitantarako. Omaly aho nanoratra ny hoe ny herin’ny mpijery. Anio kosa dia ny fihetsiky ny mpijery no horesahintsika. Efa nanoratra izany ihany aho tamin’ny alatsinainy fa ireo mety ho tsy tandrina na efa mahazatra ny maro angaha no holazaiko etoana.

Na dia izany aza aloha dia misy ifandraisany amin’ny herin’ny mpijery notantaraiko teo ihany ity. Efa mihazatra amin’ny famporisihana izahay indrindra na dia manao fahadisoana aza ny mpilalao tohanana. Saingy, tsy hataony mandavataona amin’ny mpilalao iray izany. Mihavitsy kokoa ny tehaka rehefa manao fahadisoana faharoa ny mpilalao iray. Io fahadisoana io tsy famelezana tsy akory fa resaka baolina votsotra na tolotra diso lasa any amin’ny mpifanandrina amin’ny tena. Eo amin’ny fahadisoana fahatelo, amin’ny ankapobeny avokoa izany, dia mihoraky ny fahadisoam-panantenana ny mpijery ary ny manaraka izay dia mahazo sioka amin’izay iny mpilalao iny.

Na iza na iza mpilalao tratran’io siokan’ny tokony hanohana azy io vahotra ihany. Tratran’izany indrindra i Tsiala (17) ao amin’ny As Adema tamin’ny alahady teo. Efa zatra nahita azy ihany aho noho ny fanatrehana matetika ny lalao tokony halaza eto amin’ny tanàna. Io mpilalao io raha tsy mbola tafiditra tsara anaty lalao izy dia somary vahotra izay ihany. Kely vatana izy nefa mitsoriaka ihany. Rehefa tafiditra tsara kosa izy dia mahavita zavatra ihany ary tsy matahotra izay haben’ny olona rehetra mifanehatra aminy. Noho izy somary kely izay anefa dia mety ho manana tahotra ihany ny lehilahy. Lasa mikoropaka izy ka manaonao foana indraindray. Tolotra avy any aminy no lasan’ny Mazembe ka saiky nahatafidiran’ny vahiny baolina sahady raha vao niandoha kely fotsiny ny lalao.

Raha ny tokony ho izy dia « nety » ihany ny nataony nanary ny baolina ho daka anjoron’ny vahiny saingy efa tsy neken’ny mpijery intsony ny fanapahan-keviny. Efa namotsotra baolina tamin’ny fanafihana tokony ho tsara iray izy, efa nanao tolotra nampidi-doza ho an’ny ekipany indroa. Nisy aza moa nilaza fa izy no nanao tolotra lasan’ny Mazembe ka nahatafidiran’ny vahiny baolina voalohany saingy tsy tadidiko loatra ny amin’izay. Nisioka be amin’izay i Mahamasina fa tsy nahavita na inona na inona intsony ny lehilahy. Vokany, voatery noesorina ny lehilahy satria ho lasa ambin’olona raha avela eny ambony kianja ihany.

Fa misy ny zavatra mbola eken’ny mpijery hatramin’izao, raha hiditra ny fijerena ianao ka mandeha irery dia tsy maintsy misy boaikely mahatsikaritra ka hanaraka anao toy ireny hoe miaraka ireny ianareo. Izany hoe raha misy roa samy hitany koa fa samy manana tapakila idirana dia efa hahita boaikely hanaraka koa ireo. Tsy dia maloto tsy akory ny akanjony nefa tsy hoe tena madio be koa. Izay matetika no mahatonga ny toerana fijerem-baolina ho vetivety dia feno rehefa malazalaza ny baolina. Raha tena zanakao tokoa moa ny manaraka anao inona ny olana fa ny maro dia tsy izany tsinona. Araka ny tatitra dia Ar28.000.000 no azo tamin’ny fihaonana tamin’ny Asabotsy nihaonan’ny Ajesaia sy ny Ismaily. Raha tombanana ho 30.000 ny isan’ny tafiditra tao Mahamasina ka atao Ar2000 ihany ny fidirana tsy miteny ny an’ny tribunes eto dia tokony ho Ar60.000.000 izany ny vola miditra. Fatiantoka goavana ho an’ny ekipa noho izany no mitranga. Resaka risoriso moa no heverin’ny sasany, ary fitantanana tsy mazava kosa ho an’ny hafa nefa mahita aho fa ilay tapakila iray mahatafiditra olona roa na telo aza no tena fototry ny olana.

Aucun commentaire: