1.3.07

Io ilay politika fanorona

Dia lasa lavitra any amin’ny fikarohana izay vontoatin’ny lalam-panorenana ny saina te-hahalala haingana izay nahitsy. Izany rahateo no nosoratako omaly hariva io. Rehefa nandinika aho dia karazana « politika fanorona » ihany no tena betsaka fa efa fantatra rahateo ny tian-karoso.

Mody atao izay hampitodika ny mason’ny olona any amin’ny hoe foanana sa tsia ny Antenimierandoholona. Rehefa henoko anefa ny tenin’ny Praiminisitra Charles Rabemananjara raha niresaka tamin’ny Nonce Apostolique miasa sy mipetraka eto Madagasikara izy fa tsy ho foanana velively ny Antenimierandoholona dia manao izay hampitaintaina amin’ny tsy misy dikany ny mpitondra. Ary rehefa dinihina dia ny iantsoana ilay rafitra « vaovao » no olana fa tsy ilay fanafoanana velively. Efa re manko fa tsy maintsy misy ny asolo azy rehefa foanana ilay andrim-panjakana.

Raha dinihina, toa tsy nomena ny lanja araka ny tokony ho izy tokoa ny senatera. Ao amin’ny lalam-panorenana dia karazana filan-kevitra eo amin’ny resaka sosialy sy toe-karena ihany izy. Tsy tena mpamapa-kevitra satria raha misy ny fampifandanjana sy fifanoheran-kevitra eo amin’ny Antenimierandoholona sy ny Antenimierampirenena dia ity rafitra farany ity ihany no tompon’ny teny farany. Ankehitriny heverina fa te-hametraka ny anarany araka ny tokony ho izy ny fitondrana ankehitriny « Filankevimpirenena momba ny sosialy sy toekarena ». Saingy dia ny anarana efa teo ihany izany no tazonina. Rehefa tena jerena dia ady anarana sy voninahitra no mampisaritaka ny sasany. Misy voninahitra kokoa ny antsoina hoe Senatera noho ny hoe Mpanolotsaina.

Raha izaho manokana izany dia efa mazava ankehitriny ny fomba filalaon’ny mpitondra. Izaho manokana (averiko indray) dia liana hahafantatra izay fiovana mety hisy eo amin’ny andininy faha-35 amin’ny lalam-panorenana aho. Article 35 - Les Fokonolona peuvent prendre des mesures appropriées tendant à s'opposer à des actes susceptibles de détruire leur environnement, de les déposséder de leurs terres, d'accaparer les espaces traditionnellement affectés aux troupeaux de bœufs ou leur patrimoine rituel, sans que ces mesures puissent porter atteinte à l'intérêt général et à l'ordre public. La portée et les modalités de ces dispositions sont déterminées par la loi. Io manko araka ny efa reko ihany koa dia hasiam-panamafisana. Fanamafisana amin’ny inona moa ? Liana dia liana aho saingy mbola miandry aloha isika rehetra hatramin’izao. Marihiko fa nifidy ny filoha aho noho ny MAP saingy tsy nolazainy tamin’izany fotoana izany fa ny Fokontany (fokonolona) no fototra amin’izany. Efa nambara ombieny ombieny nandritra ny fampielezan-kevitra manko fa efa vita ny fototra kanjo ovainy izy ity !

1 commentaire:

ben a dit…

Mitady ny fahalalahana ara-bola ve ianao? Manana trosa ve ianao, mila trosa hanombohana orinasa vaovao ianao? na hoe tapakila ara-bola ianao, mila trosa ianao hividy fiara na trano? Mandà ny hetra amin'ny banky ve ianao mandrakizay? Te-hanatsara ny volanao ve ianao? Mila trosa ianao raha mandoa vola ny faktioranao? Aza mitady intsony, miarahaba anareo izahay noho ny karazana fampindramam-bola rehetra azonao amin'ny vidiny mahaliana 3% mila fanazavana bebe kokoa, mifandraisa aminay amin'ny alàlan'ny mailaka: socialfinancelimited8@gmail.com