22.3.07

Azo atao ve?

Fanamarihana : efa tokony omaly alarobia ity no nivoaka saingy tsy tafavoaka noho ny « connexion ».

Efa ao anatin’ny fampielezan-kevitra ho amin’ny fitsapa-kevi-bahoaka indrindra moa isika amin’izao fotoana izao. Nahatsikaritra aho tamin’ny gazety fa dia misy manao lohateny mifanohitra ihany ry zalahy. Ny iray manao hoe mangina tsy dia nisy olona ny tao amin’ny Magro (foiben’ny tiako i Madagasikara) ka nahatezitra ny filoha ny fahitana izany fa ny hafa kosa nanao hoe ny tao Ankorondrano ihany no mba re feo. Mandeha indray ny fikaramana an’ady hoy aho anankampo.

Fa ny nahavariana dia ny fitenin’ny filoham-pirenena tamin’ny kabariny omaly. Nibaiko ny mpiasam-bahoaka misahana ny fifidianana izy mba hanao tsara ny asany, hamporisika ny olona hifidy, hijery izay madilana hotentenina ary…hampandresy ny ENY ? Lasa tampoka ny saiko nanao hoe : f’angaha moa azony tenenina izany amin’ny fitsapa-kevi-bahoaka ? Efa namory ny sefom-pokontany teto Antananarivo moa ny filoha delegasiona manokanan’Antananarivo renivohitra.

Ny alarobia maraina moa dia nitety ny faritra nosimban’ny rivodoza Indlala farany teo ny filoha ka niaraka tamin’ny masoivoho Frantsay izy tany Maroantsetra. Nanana anjara fitenenana mihitsy moa io masoivoho frantsay io tao. Nandalo tany Antalaha koa ny delegasiona nandritra izany fitsidihana ny faritra tra-boina izany. Mazava loatra fa misy fifangaroana ihany ny fanampiana ireo tra-boina sy ny fanaovana fampielezan-kevitra na dia ny maheno ny hira mitondra ny lohateny hoe « Samy mafoaka » an’i Jerry Marcos fotsiny ihany aza rehefa nidina ny sehatra ny vahiny nitsidika tany amin’ireny toerana ireny.

Ny mpanao ny tsia kosa moa mandritra izany fotoana izany mbola tsy re loatra. Tsy manana haino aman-jery fehezina loatra koa moa ry zareo hamoaka ny heviny fa mionona fotsiny amin’ny fihaonana amin’ny gazety eny ihany. Sa tonga amin’ilay fiheverana hoe efa ho resy ny tsia ka iza no handany vola amin’io eo ?

1 commentaire:

Anonyme a dit…

lany tamin'ny fifidianana prezidà ny vola f'ianao angaha ahoana ! olona atokisana no naharenesako fa nisy kandidà lehibe iray tamin'ny farany teo tsy nahaloa ny saran'ny afisiny...