27.2.07

Tsy mahafa-po?

Hanomboka ny fivoriany ny Sehatr’asa ekiomenika momba ny fiainam-pirenena ao amin’ny FFKM amin’ity herinandro ity. Vao avy naneho ny heviny kosa ny fivondronam-ben’ny eveka eto Madagasikara, izay karazana rafitra ambony eo amin’ny Eglizy Katolika Apostolika Romana eto Madagasikara. Heveriko fa mitaintaina ny amin’izay fehin-kevitra mivoaka avy ao ny mpitondra fanjakana. Na ahoana manko na ahoana izay mety ho filazana dia karazana tehamaina ho an’ny fitondrana ankehitriny ny fanambarana nataon’ireo eveka ireo. Heverina fa handresy avy hatrany manko ny eny nefa fantatra fa tsy ho voadinika tsara akory izay tena voalazan’ny fanitsiana ao amin’ny lalam-panorenana.

Nivory tao amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny lehiben’ny distrika maro teto Madagasikara. Izay any amin’ny faritra saro-dalana ihany no tsy tonga teto an-drenivohitra. Re fa hampiasana angidim-by any amin’ny toerana tsy takatry ny fiara noho ny faharatsian’ny lalana. Dia lasa ny saina manao hoe afa-mampiasa izany ary ve izay manohitra ny fanitsiana ny lalam-panorenana sa tena izay hahalany haingana ny fanitsiana ihany no tadiavina ?

Fa androany koa dia nihaona tamin’ny filoham-pirenena ny Senatera miisa 30 teo ho eo handinika ny ho avin’ity andrim-panjakana iray ity. Mba nandefa sombitsombiny tamin’ny resaka tao ihany ny televiziona nasionaly fa tena migobogobona be tsy ahafantarana izay tenin’ny olona tao ny resaka, niniana natao ve sa tena fahadisoana teknika ? Tahaka ny naheno teny hoe foanana izany ny praiminisitra aho tao anatin’ny fihaonana nefa tsy afa-mitoky amin’izany noho ny haratsin’ny feo.

Fa na ny mpiasan’ny RNM koa aza dia nampiseho tsy fahafaham-po ihany koa. Tsy niniana kosa fa noho ny fomba filaza fotsiny ihany. Omaly moa no notanterahina ilay filan-kevitry ny Minisitra natao tany amin’ny faritra. Dia re aloha fa atao maodely amin’ny fampiharana ny MAP iny faritra iny, na iny tanàna iny. Lasa ny saiko manao hoe mila filankevitry ny minisitra moa izany zavatra izany. Ny fanambarana tatitra momba ny fihaonana dia tsy nahenoana didy fampiharana mihitsy na dia iray aza fa toa fanapahan-kevitra ankapobeny ihany no fahazoako azy. Tamin’io vaovao alina io dia resaka MAP ranofotsiny no nandaniana ny 15 minitra voalohany. Enga anie ka izaho no tsy maharaka loatra. Nilaza ary ny mpilaza vaovao halina fa rahampitso no hilazalazana ny andinindininy momba io filankevitra io.

Dia niandry indray aho androany maraina, nilaza anefa ny mpilaza vaovao fa ratoandro no hilazalazana ny andinindininy momba ny filankevitra teo. Tonga ny atoandro, sarotra ny mandainga fa tsy naheno intsony aho noho ny fandaminana eo amiko manokana. Tahaka ny naheno ihany anefa aho fa hisy filankevitra hotanterahina indray anio ao amin’ny lapan’Ambohitsorohitra. Mahakamo be rehefa re satria tsy afaka iverenana hohenoina intsony. Angamba noho ny fangataham-pihaonana nataon’ny Senatera voalazako eo ambony dia tsy notapahina mihitsy aloha ny amin’izany votoatin’ny fanitsiana lalam-panorenana.

Miaiky aho fa lasa tahaka sy angamba fotsiny ihany sisa ny zavatra soratako eto anio satria heveriko fa tsy ampy loatra ny fampitan-dresaka aty amin’ny sarambabem-bahoaka. Naizany na tsy izany ny ampitso ihany no hanamarina na handiso ny zavatra nosoratako.

Aucun commentaire: