19.2.07

Mihamipoitra ny manohitra ny rafitra fokonolona

Taloha araka ny fahalalako dia toy ny zava-pady izany manohitra ny rafitra fokonolona izany. Heverina ho zava-masina tsy azo iadian-kevitra io. Hevitra maharesy lahatra ny mpitondra angaha ka sarotra ihany ny hitsivalana amin’ny rafitra tiany apetraka. Na iza na iza nitondra io rafitra fokonolona io dia toy ny rafitra rehetra ihany io : manana ny kilemany.

Ny fokonolona no nanao ny asa niraisana tamin’ny vanim-potoana taloha, indrindra ireo zavatra goavana. Mbola tsotra ihany koa ny rafi-pihariana tamin’izany fotoana izany : mpamoly sy mpiompy avokoa ny ankamaroan’ny mponina, ny varotra dia ratsana ihany satria ny vokatry ny asan’ny tsirairay ihany no amidiny na atakalony eny an-tsena. Heloka mahafaty ny tsy mandray anjara amin’ny famonjena fefiloha tamin’izany fotoana izany.

Nampiasain’ny mpanjanatany ihany koa ny rafitra fokonolona hanarahany maso ny fivezivezen’ny olona rehetra. Tsy mahazo manori-trano mitsitokatokana izany fa tsy maintsy any amin’ny tanàna voatondro no monina ny rehetra. Ny rafitra fokonolona tamin’ireny fotoana ireny no tena nampanjaka ny atao hoe fanompoana. Izay niaina tamin’izany fotoana izany dia mahatsapa ny atao hoe miasa maimai-poana telopolo andro isan-taona any amin’ny voanjo, fa tsy any amin’ny fanaovan-dalana na fanamboarana tetezana na ny toy izany. Rehefa mba nisy ny tolona sy ny fifampiraharahana ary noho ny toe-java-misy maneran-tany dia mba nahena folo andro izany asa maimai-poana tany amin’ny voanjo…sady niato-tena izany. Toa tsy misy sahy milaza loatra io tranga iray io mandraka ankehitriny.

Tamin’ny fotoan’androny ny fiteny dia hoe tao-trano tsy efan’irery. Nidika izany fa rehefa nanaga-trano dia mandray anjara ihany koa ny fokonolona indrindra fa ny tovolahy matanjaka. Ankehitriny noho ny hai-tao tsy voatery handeha amin’izany lalana taloha izany intsony.

Nanamarika ary ny vahinin’ny fandaharana isan’alahady tao amin’ny tvplus atoa Pierre Houlder fa raha nampandroso ny firenena ny rafitra fokonolona dia efa ela isika no lasa lavitra tamin’io rafitra io. Niteny izy fa tsy ho aingam-pampandrosoana mihitsy io rafitra fokonolona io fa fiandrasana baiko avy any amin’ny fitondrana foibe. Ny fitsinjaram-pahefana araka ny tokony ho izy ihany no tena fototry ny fampandrosoana.

Aminy, dia resy lahatra amin’ny faritra izy fa tsy amin’ny faritany loatra. Fa ny zavatra tadiaviny, raha tena tian’ny mpitondra fanjakana dia rafitra voafidim-bahoaka ihany no mitantana ny rafitra itsinjaram-pahefana. Fa raha olom-boatendry ihany no mitantana any amin’ny rafitra isam-paritra any dia karazana fivangogoam-pahefana ihany izany. Ny olom-boatendry manko dia mandray baiko avy any ambony.

Aucun commentaire: