5.2.07

Ny mahafinaritra sy ny...

Be dia be sahady ny zavatra azo ambara taorian’ny nandiavana iny faran’ny herinandro teo iny. Be tokoa ka ho lava loatra raha indray avoaka avokoa fa tsara kokoa raha isan’andro no amoahana azy. Eo ilay fivoriam-pokontany “fitaratra” teny Iavoloha. Eo ihany koa ohatra lalao fitsapana nihaonan’ny Ajesaia sy ny Academie Ny Antsika. Eo koa ny momba ilay Mpanakarem-be avy any Arabia Saodita nisy namono iny.

Rehefa mino ny ho aviny mpijery

Tena matoky ny tanora mpilalao ho avin’ny baolina fandaka ny mpijery. Manamarika izany aloha ny fahamaroany tonga nanatrika ny lalao na dia karazana lalaom-pirahalahiana ihany aza ilay izy ary fitsapana ny solontena malagasy hiatrika ny lalao famerenana ny dingana afrikana. Tsy mbola nanana fifaliana tahaka izany ireo mpijery ireo nody. Nalaina aza ny maro fa mbola variana niady hevitra tao ambadiky ny tribunes tao. Tsy adi-hevitra fitsikerana loatra intsony fa fahagagana manoloana ny hakingana nasehon’ny Academie. Tahaka ireny hoe ny Academie ireny no solontena ary tahaka ny hoe ry zareo ihany koa no nandresy. Tsy dia nilaza na inona na inona loatra tamin’ny maro rahateo ny vokatra 3 noho 2 nandresen’ny Ajesaia fa ny endrin-dalao ihany no tena niompanan’ny resaka.

Rindra tsara petraka, tolotra voarefy tsara sy tsy alefalefa foana, fahazotoana tsy mihazohazo na dia somary lavitra ny tena aza ny lalan’ny baolina. Santionany tamin’ny nideran’ny mpijery ny mpilalao avy any Antsirabe izany. Raha ny haavo teknika dia tena lasa lavitra tokoa ry zareo. Faharerahana tamina mpilalao tao amin’ny fiarovana tao no hirika nahafahan’ny Ajesaia nahazo ny fandresena. Toy ny fanomezana tamin-dry zareo tompon’ny amboara koa ny nampidirana mpiandry tokonana vao niana-draharaha tao amin’ny sekolin’ny baolina fandaka. Eny, nisy aza tamin’ireto Akademia ireto no vao 15 taona monja dia efa nampisedraina ireto tompon’ny amboaran’i Madagasikara ireto. Ny resaka mandeha aza moa no nahenoana fa vao iray volana ny sasany amin-dry zalahy ireto dia efa indreo nampilalaovina.

Inona kosa ny tombony azon’ny Ajesaia manoloana ny fampidera-pahazaina nahariharin’Antsirabe izao. Azo lazaina hoe ny habeny aloha. Na dia samy tanora manko ry zareo dia manana vatana kokoa ny Ajesaia. Manaraka izany indray dia ny filalaovana samirery. Valim-panafihana hatrany no nahatafiditra ny baolina na dia penalty aza no nahazoan-dry zareo isa voalohany. Na izany na tsy izany, tombony ho azy ihany koa ny nanandraman’ny mpanazatran’ny Akademia ny mpilalao maro satria lalao ara-pirahalahiana ilay izy ka ny lanjan’ny mpilalao no tena nojerena fa tsy ny vokatra loatra. Ajesaia kosa nionona tamin’ny tena efa mahazatra ankehitriny hoa ny baolina maty ihany…

Ny ekipan’i Adema kosa moa etsy andaniny toy ny mpijery rehetra ihany koa. Naka sisintsisiny rehefa nirava ny baolina. Mahay ihany koa ary nampiseho ny heriny tamin’ny alahady heriny saingy ny fitsarana no lesoka sy ny fampidiram-baolina izay tsy bahana intsony ho an’ny mpilalaon’ny Akademia.
Marihina fa afaka andro vitsy foana dia ato indray no hanoratan'i jentilisa ny lahatsoratra.

1 commentaire:

Anonyme a dit…

Misy mpamaky foana eto ry Jentilisa na tsy mametraka hevitra aza. Koa dia misaotra mitatitra.